Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Zanak’i Bongolava – Hampiray ny foko rehetra ny tanjona

Nijoro ara-panjakana ny 5 may 2015 ny fikambanana zanak’i Bongolava. Ny tanjona dia hampiray ny foko rehetra tsy ankanavaka indrindra ny any amin’ny Faritra Bongolava, hanampy ny mpiray tanindrazana sy ny firenena ary koa mba ialana amin’ny loko politika. Nangina ny fikambanana hatramin’izay noho ny toe-draharaha nisy teo amin’ny firenena toy ny fifidianana…. Ny sabotsy lasa teo no natao ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fisian’ity fikambanana ity izay natao teny Ankatso. Maro ny olona tonga tamin’ny lanonana, anisan’ ny nanatrika izany ireo solontenan’ny solombavambahoaka avy any amin’ny faritra sy ny lehiben’ny Faritra Bongolava ary koa ny minisitry ny fambolena, Roland Ravatomanga, izay zanak’i Bongolava ihany koa, nanolotra fanampiana ny tenany mba hanatanterahana ny tetikasa ao amin’ny fikambanana. Araky ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana Iandrilala dia “hanomana hetsika fambolen-kazo sy didim-poatra faobe izy ireo, eo ihany koa ny fanokafana ny tranokalan’ ny fikambanana izay kasaina atao amin’ity taona ity”. Miisa 32 hatreto ny mpikambana ao aminy, noho izany dia manentana ny olona rehetra tsy ankanavaka izy ireo, indrindra fa ny avy any amin ny faritra mba hiditra ho mpikambana.

St Jacques Marino

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre