Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fiahiana ara-tsosialy – Antoka iray manatsara ny kalitaon’ny fampianarana

Zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy. Ny lalàna mihitsy no mametra fa tsy maintsy ampidirina mpikambana ao amin’ny Cnaps ny mpiasa rehetra amin’ny sehatra tsy miankina ka izay ny antony nahatonga ny Dinec na ny mpitantana nasionalin’ny fanabeazana katôlika ampahafantatra ny mpanabe sy mpampianatra ao aminy. Tsapa mantsy fa maro ireo mpiasa sy mpampiasa tsy mahafantatra ny adidiny ary ao koa ireo minia tsy manaja ny zo eo anivon’ny fampianarana. Nohamafisin’ny lehiben’ny Faritra Atsimo Atsinanana, profesora Théodoret, ihany koa fa ilaina ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny ny toeram-panabeazana. “Misy ny mpampianatra miasa amin’ny toerana maro satria tsy misy mpiahy ka lasa manaratsy ny kalitaom-pampianarana. Rehefa voahaja ny fiahiana ara-tsosialy sy ny zony dia hifototra amin’ny sekoly tokana izy ireny ka hivoatra ny fanabeazana”, araka ny filazany hatrany. Antoka iray manatsara ny kalitaon’ ny fampianarana, noho izany, ny fiahiana sy fitsinjovana ny mpanabe. Mazoto sady ahitam-bokatra rehefa tsara antoka ny mpampianatra. Natomboka  ny 3 febroary ary tsy nifarana raha tsy ny zoma 5 febroary lasa teo, tany Farafangana ny filan-kevitry ny talen-tsekoly katôlika amin’ity taona 2016 ity. Nandritra izany no nanaovan’i Mompera Ranaivoson Jules, sekretera jeneralin’ny fanabeazana katôlika antso avo amin’ny famoahan’ny fanjakana ilay Lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy nasiam-panavaozana. Aorian’ny Farafangana dia hihazo ny diosezin’i Mananjary ny ekipan’ny Dinec sy ny Cnaps.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre