Alasora – Ramatoa maty nokapain’ny rahalaham-badiny famaky
Ramatoa iray no maty tsy tra-drano rehefa nokapain’ny ralaham-badiny famaky, ny alin’ny alarobia lasa teo, teny Alasora. Findramam-bola no fantatra fa niantombohan’ny famonoana. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny havan’ny maty, tonga nindrana vola iray hetsy tao amin’izy mivady ilay lehilahy ny marain’ny alarobia saingy nilaza tsy nanana ilay tokantrano ka niteraka fahasorenana ho azy io. Tsy afa-po tamin’izany valin-teny izany ny anao lahy ka niverina indray ny harivan’io alarobia io fa tamin’izay fotoana izay tsy tao ilay rahalahiny fa ramatoa vadiny ihany no tao. Toa niandry vava latsaka ny amin’ny hoe tsy misy azo ampindramina fotsiny mantsy ity lehilahy ity dia poa toy izay nanaraka ny herisetra sy vono. Nosaritiny nivoaka ny trano ilay zaobaviny ary nokapainy famaky sady notontany vato be ilay renim-pianakaviana rehefa tonga teny ivelan’ny trano.
Raha zohina akaiky ny tantara dia karazany efa nomanin’ilay lehilahy mihitsy ity famonoana ity. Ny fanontaniana mipetraka ao an-dohan’ny havan’ny maty amin’izao fotoana ny hoe izy mivady ve no lasibatra tamin’io fotoana io saingy tsy tao ilay rangahy sa efa niandrasany tsy naha teo an-toerana ny rahalahiny vao natao ny famonoana ? Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.
Laurena Nany