Samy manilika andraikitra
Nanaitra ny maro ny vavan’ny fitondram-panjakana fa tsy izy ireo no nahatonga ny kere any Atsimo fa vokatry ny loza voajanahary. Notsipihin’ny mpitondra mihitsy fa tsy sambany akory no nisy kere tany Atsimo nefa tsy nisy fitondram-panjakana tamin’ireo izay nifandimby na iray aza nahavaha io olana io. Toa miaro latsa ho an’ny vahoaka izany satria matoa nisy ny fanovana mpitondra dia niandrandra olom-baovao mahavita mamaha ny olana mianjady aminy ny vahoaka. Mbola vao maika ihany koa nanaitra ny maro ny fanenjehana nataon’ny mpitondra ireo fikambanana tonga nihazakazaka nitondra fanampiana ho an’ny vahoaka kere any Atsimo. Toa tonga namana vao mavomavo ity fitondram-panjakana ity satria ny manampy azy indray no enjehiny. Matoa mantsy nankany ny vondrona politika ivelan’ny fitondrana dia efa heno hatraty an-drenivohitra ny antso vonjy ataon’ireo vahoaka tsy mihinan-kanina. Ny mpitondra anefa toa tsy taitra ka rehefa nanao ny hafa izay vao mikoropaka. Mbola fampanantenana ny hanao izatsy sy izaroa hatrany no nikararana tamin’ny fitsidihan’ny mpitondra tany Atsimo. Adinon’izy ireo fa efa roa taona lasa izay no nanaovana izany fampanantenana izany ary tsy nofaritany ihany koa ny fotoana hanatanterahana azy. Na tiana na tsy tiana efa tompon’andraikitra feno amin’ny mosary any Atsimo ny fitondrana Hvm. Efa fantany mazava fa anjarany no mitondra vahaolana hisorohana ny kere fa tsy efa mitranga ny loza izay vao manao vava be sy mampanantenana ny tsy ho tanteraka akory. Efa hatramin’ny taon-dasa no nisy ny mari-pamantarana fa atahorana ho kere ny any Atsimo. Tsy nisy ny fandraisana andraikitra ho fisorohana izany fa navela tamin’izao fotsiny ka sady tsy mihinan-kanina no tsy mahita rano ho sotroina ny malagasy. Raha natambatambatra anefa ny vola lany nataon’ireo mpitondra Fanjakana saran-dalana sy hofana hotely ary tambin-karama tamin’ireo fivoahana tsy nahitam-bokany tany ivelany, ka nampiana ny vidin’ireo fiaramanidina tsy afaka ampiasaina akory dia efa nahavitana tambazotra fitarihana rano mankany amin’ny faritra Atsimo. Tsy nahomby ny fivoahana an-jatony nataon’ny filoha sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta tany ivelany satria mbola gisitra ihany i Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Gisitra ary mbola any aorian’i Kaomoro, izany hoe tena farahidiny maneran-tany i Madagsikara nefa mbola mirehareha ihany ny mpitondra fa tena miasa ary afa-po amin’ny ezaka vitany. Fihemorana anefa no vokatra mba azon’izy ireo atolotra ny vahoaka. Tsy tompon’andraikitra mihitsy ny olona tsy mahita fa tena ao anaty fahantrana ny vahoaka malagasy ary tsy misy fampandrosoana hita taratra izany eto. Fanilihana andraikitra ny filazana fa mitsinjo ny vahoaka nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo. Mbola fialana andraikitra ihany koa ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra hanery ireo mpivarotra solika hampanitsy ny vidin’ny litatra amin’ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mody ampidinina Ar 90 nefa tsy mifanitsy velively amin’ny fidinan’ny any ivelany izany. Tsy eo ihany fa lasa fanararaotan’ny orinasa vahiny hanaovana fanaparam-pahefana amin’ny vidin’ny tolotra omen’izy ireo ny mpanjifa ny vahoaka malagasy satria tsy mandray andraikitra ny mpitondra. Tsy mipetraka ary tsy hita taratra velively ny fifaninanana amin’ny vidin’entana fa toa mifanaraka any ambadika any ireo orinasa mpifaninana ka mampitovy ny vidin’ny tolotra omen’izy ireo. Tsy fanarahan-dalàna izany nefa minia tsy mahita ny fitondram-panjakana ka manao izay danin’ny kibony ireo orinasa vahiny miorina eto amintsika. Tsy mahagaga raha tsy mandroso ny firenena satria ny madinika ihany no tsihifina sy terena hanara-dalàna amin’ny fandoavana hetra sy sazy ary tery vay manta hanaiky ny fanapahan-kevitra rehetra tian’ny mpitondra atao. Hatramin’ny karama farany ambany sy ny vokatra kelin’ny tantsaha aza takiana hetra nefa ireo mpanefoefo toa afa-maina fotsiny fa tsy mandoa ny tandrify azy ireo. Fa nankaiza ireo milaza fa tompon’andraikitra e ?
Ravalo tsy Manana