Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fanjakana malagasy – Tsy hanao zavatra raha tsy mahazo fanampiana

Rano natondraka an-damosin’ny gana raha ny teny nataon’ny zokiolona Marokanina, Mohammed Amar, tamin’ny fanjakana malagasy nandritra ny lahateny tamin’ny fiarahabana tratran’ny taona 2016 teny Iavoloha. Raha fintinina izay nolazainy tamin’izay fotoana izay dia hoe tsy tokony hiandry fanampiana avy any ivelany foana i Madagasikara vao hiasa fa tokony hiasa aloha dia miditra ho azy ny fanampiana rehefa mahita ny ezaka vitan’ny fanjakana malagasy ireo mpamatsy vola.

Tsy izay anefa no miseho amin’izao fotoana izao fa mbola miandry tosika hatrany ny fanjakana malagasy vao mihetsika. Porofo iray fa tsy manao zavatra ny fanjakana raha tsy mahazo fanampiana avy any ivelany, ny fanambaran’ny lehiben’ny governemanta, Jean Ravelonarivo, raha nanontaniana momba ny  fitohizan’ny « Réforme de secteur de la sécurité (Rss) ».  Nilaza izy fa mbola ao anatin’ny dingana tetezamita haharitra roa volana eo ny Rss amin’izao fotoana izao, fa miandry ny famatsiam-bola avy any Frantsa vao hitohy izany. « Toe-bolan’ny fanjakana malagasy no nanaovana iny tapany voalohany iny fa ny tapany faharoa ity kosa dia ny firenena frantsay no hanolotra vola amin’izany. Vonona izy ireo ny hanome tolo-tanana an’i Madagasikara mikasika ny Rss ka miandry ny taratasy sy ny drafitra rehetra avy aty amintsika izy mba ahafahany manome fanampiana », hoy ny Praiminisitra.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre