Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Kolikoly ao amin’ny Fananan-tany – Lasan’olona ny tokontanin’ny building “A” ao Ambodin’Isotry

Malaza ratsy. Tsy foana mihitsy ny kolikoly ao amin’ny sampan-draharahan’ny Fananan-tany ao. Tsy vao izao fa matetika no ahenoana fa misy  tany iray no lasa misy tompony roa na maromaro. Misy ny mahazo “titre” na tany efa an’olona izao aza. Anisan’ireo nahagaga ny maro ny zava-misy fa voasoratra aman’ny olona ny “parking-n’ny building “A” etsy Ambodin’Isotry. An’ny Seimad ity trano be ity taloha saingy namidiny tamin’ireo mpanofa. Naloa isam-bolana ny vidiny tamin’ny alalan’ny “vente location”. “Efa an-taonany maro no nipetrahan’ny maro aminay ao amin’io trano be io”, hoy ny fanazavana azonay avy amin’ny mponina iray eny an-toerana. “Nisy havan’ny mpanofa trano tany ambany nivarobarotra teo amin’ny sisin’ny building  teo. Tsy dia nahita olana firy tamin’izany izahay. Taty aoriana anefa, gaga ny rehetra fa voasoratra tamin’io mpivarotra io ny parking sy ny tokontanin’ny building”, hoy ny fitarainan’ireo mponina ao amin’ity trano ity. Tsy nisy ny fifanatonana tamin’ny mpiara-monina na ny fampandrenesana fa dia natao antsokosoko ny fanoratana ny tany ho amin’ilay olona. Ankoatra ny fahazoany ny parking dia mbola tafiditra ao anatin’ny faritry ny tany lasan’ity olona ity ihany koa ny tambohon’ny building “A” eo Ambodin’Isotry. Voafaritra hatramin’ny lalana hiditra ao amin’ity trano be ity.

“Efa nisy ny dingana natao. Miantso ny tompon’andraiki-panjakana izahay, indrindra ny ao amin’ny sampan-draharahan’ny Fananan-tany ao amin’ny ministeram-panjakana miandraikitra ny fanajariana ny tany.

FR

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre