Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Fanafihana « Airtel money » tany Toamasina – Jiolahy iray niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mafana ny andro any Toamasina ary mafana ohatr’izany ihany koa ny resaka tsy filaminana. Ankoatra ny faty olona sy fandratrana olona etsy sy eroa dia mahazo vahana ihany koa ny fanafihana mitam-piadiana. Jiolahy iray izao no naratra mafy tsy fantatra na maty na velona rehefa niharan’ny fitsaram-bahoaka. Araka ny vaovao voaangona dia dimy lahy nirongo basy izy ireo no nanafika mpaninjara vola amin’ny alalan’ny finday, ny alin’ny alarobia lasa teo, tokony tamin’ny 7 ora teo ho eo.  « Airtel money » iray teny amin’ny Bazar kely no lasibatry ry zalahy tamin’io fotoana io satria mbola tsy nihidy izany toerana izany. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihana ka lehilahy iray no voan’ny balan’ireo olon-dratsy. Soa fa nisilifatra fotsiny ihany izany ka naratra iry voalohany. Nosintomin’izy ireo avy hatrany ihany koa ny vola teny an-tanan’ilay tovovavy iray tao amin’ilay mpaninjara saingy tsy azony. Lasa nirifatra nandositra izy dimy lahy avy eo fa tamin’izay indrindra anefa dia tratran’ny fokonolona ny iray. Efa leon’ny tsy fandriampahalemana misesisesy any an-toerana, ny tosi-drà ihany koa efa miakatra ka tsy navelan’ireo vahoaka raha tsy efa tonga ny polisy naka ity olon-dratsy teny an-tananan’izy ireo izay efa torana tsy nahatsiaro tena intsony.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre