Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Tsiroanomandidy – Kamiao nitondra omby nivadika ambony ambany

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Kamiao iray nitondra omby aman-jatony hiakatra ho aty an-drenivohitra no tra-doza, teny Andranomadio, 8 kilometatra miala an’i Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Nivadika ambony ambany ilay kamiao ka maty tsy tra-drano ny omby miisa 4 nentin’ity fiara be ity, ary olona iray tao anatiny izany koa no  naratra mafy. Raha ny vaovao voaray dia nandeha mafy ity kamiao ity ka tsy voatanan’ilay mpamily intsony ny familiana rehefa niala lavaka teo am-povoan-dalana izy.  Potika tsy nisy noraisina ihany koa ilay fiara. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny naratra.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre