Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Nosy Be – Zazavavy kely nalaina roalahy an-keriny

Raha nangingina ny resaka fakana an-keriny tany Toamasina dia tonga any Nosy Be indray amin’izao fotoana izao ity asa ratsy ity. Zazavavy kely iray sahabo 11 taona eo ho eo izao no fantatra fa nisy naka an-keriny, ny marain’ny alarobia, tamin’ny 6 ora tany ho any. Handeha hamonjy fianarana teny Ampasindava, ao Dar es salam ity zaza ity no nisy nangalatra saingy ora vitsy taty aoriana dia navotsitr’ireo mpangalatra ihany.

Araka ny angom-baovao voaray dia lehilahy roa no nisambotra ilay zazavavy sy nanampina ny vavany  tamin’ny lamba ka nitondra azy tany anaty ala lavitra be tany. Nanontanian’ireo olon-dratsy mahakasika ny ray aman-dreniny sy ny momba azy ilay zazavavy kely saingy tsy nety niteny mihitsy. Sendra zaza mafy loha ireto jiolahy ka navelan’izy ireo nandeha izy io rehefa nigadona ny tamin’ny 12 ora atoandro ary tamin’ny 1 ora atoandro teo ho eo vao tafavoaka ny ala.

Mbola tsy fantatra hatreto ny tena antony nangalaran’ireo jiolahy ity zaza ity sy ny namotsorana azy avy eo fa miaina ao anaty horohoro tanteraka ireo manan-janaka any an-toerana, indrindra ireo manana zaza mianatra. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre