Zara fa vita !
Anisan’ny laza ratsy ho an’ny zavatra vita malagasy ny tsy fahampian’ny kalitao. Io no mahatonga ilay fiteny hoe « vita gasy », izay midika fa ratsy sy tsy maharitra. Iaraha-mahita tokoa ireo fitafy zaitra an-tsena sy taozavatra hafa fa toa lasan-ko bikany toy ny akoholahy fantaka amin’ny andro fahavaratra fotsiny nefa mora simba. Maro ireo mitaraina ankehitriny fa tsy mahazaka entana akory ny kitapo sy ny harona vita gasy fa mora tapaka ny tahony. Asa kitoatoa no filaza azy. Raha ny tena marina anefa dia tsy ny vita gasy no ratsy fa ny mpaka tahaka no betsaka. Vao misy maodely iray nisy namorona ka hita eny an-tsena, tonga dia manao toy iny avokoa ny mpanao asa tanana rehetra. Tsy mahagaga raha mitovy avokoa ny tolotra omen’ireo mpivarotra asa-tanana satria tsy misy ny asa famoronana fa mangala-tahaka ny ankamaroany. Hany ka lasa ireo tena mpamorona sy manana talenta no mahazo tsiny satria afangaron’ny mpanjifa amin’ireo mpanao hosoka.
Tsy mifankaiza amin’izany ihany koa ny asa fampandrosoana omen’ny fitondram-panjakana. Tara lava ary asa zara fa vita. Ohatra akaiky amin’izany ny delestazy izay mbola iainan’ny mponina rehetra manerana ny firenena hatreto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao. Lazaina fa telo volana monja dia ho foana ny delestazy nefa roa taona mahery aty aoriana mbola misy ihany. Nomena ny vahiny ny fitantanana ny ampahany amin’ny fitavan’ny Jirama na dia nandà mafy izany aza ny mpiasa. Tsy nahavaha olana tanteraka anefa io orinasa vahiny io satria mbola misy tsy an-kijanona ny delestazy amin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Maraina, atoandro, hariva, alina dia tapaka hatrany ny jiro amin’ny faritra maro nefa tsy mba misy ny fanazavana omen’ny tompon’andraikitra fa izay tsy faly mibontsina araka ny fitenin’ny tanora. Ny faktiora anefa misondrotra hatrany ary na dia mihena aza ny fandaniana jiro, ary na nihena ihany ko aza ny vidin-tsolika. Porofon’ny asa tandrametaka misy eto amin’ny firenena io delestazy tsy mety voavaha io. Tsy to teny eo anatrehan’ireo tompon’andraikitra sy teknisianina tokony hampandeha ny jiro ve ny filoham-pirenena sa ireo teknisianina mihitsy no tsy haninona tsy haninona fa toa tsy mety mivaha mihitsy ity olana iray ity.
Toy izany ihany koa ny resaka fanamboaran-dalana. Tena niasa ary namoaka vola be hanapenana ny goaka be manerana ny lalana eto an-drenivohitra ny Fanjakana nefa tsy hita izay tena vokatra azo tamin’izany fa ala-safay no betsaka. Tena mampahiratra jamba mihitsy ny hamaroan’ny lavaka eto an-drenivohitra. Mitaraina ireo olona manana olana amin’ny fahitana fa be loatra ny lavaka ka mety mampianjera azy ireo izany. Hatreto aloha dia efa nirarakompana ny fampanantenana fa ho tapenana ireny lavaka ireny saingy toa tsy hita izay tena vokatra nisongadina. Be lavitra noho ireo voatampina mantsy ny lavaka vaovao izay lasa mipetraka fitohanan’ny fiara sy fanimban-javatra maro be. Tsy fantatra intsony fa vita gasy na vita sinoa ireny lalana ireny fa ny hitan’ny olona tsy maharitra ny asa vita satria fotoana vitsy dia simba indraindray. Tampitampenana fotsiny mba hanehoana hoe miasa fa tsy misy fijerena kalitao. Tsy asa zara fa vita toy izany anefa no hahafahana mampandroso ny firenena satria ho lany andro hanampina ny goaka isan-taona eo ny fitondrana. Raha ny tena izy dia trongisina avokoa ny lalana rehetra eto an-drenivohitra dia averina amboarina toy ny manao lalana vaovao. Tsy hanao izany ny mpitondra ary tsy manana fahafahana hanao izany satria zatra manao asa vonjy tavanandro fotsiny ahafahana miteny hoe mahavita sy tena miasa.
Ravalo tsy Manana