Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ambositra – Zazavavy 16 taona nodarohan’ny mpampiasa

Zazavavy iray 16 taona mpiasa an-trano no tonga nametraka fitoriana teny amin’ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona, any Ambositra, ny alakamisy teo, fa naratra mafy nodarohan’ny ramatoa mpampiasa azy. Mangana sy naratra be ka nandositra avy hatrany teny amin’ny mpanara-maso ny asa izy io. Ary rehefa vita ny famotorana natao taminy dia nalefa teny amin’ny polisy, voalaza eo ambony, nametraka ny fitoriana. Araka ny filazan’ilay zazavavy dia tsy vao sambany fa efa fanaon’ity ramatoa ity ny mamono azy. Talohan’io alakamisy io, ny 7 febroary lasa teo, efa novonoin’ilay ramatoa ity mpiasa an-trano ity ary nilaza ny hiala saingy tsy navelany ary notambatambazany fa tsy hamerina izany fihetsika izany intsony izy ka dia nijanony ihany ilay tovovavy.  Vadina zandary ity mpampiasa sady mpamono ity araka ny voalaza ary mirehareha fatratra fa tsy hisy zavatra hahavoa azy na dia history aza ilay zazavavy. Miandrandra ny mba iharan’ny lalàna amin’ity mpampiasa ity ny fianakavian’ilay zaza satria tsy misy olona ambonin’ny lalàna izany. Raha ny lalàna ihany koa no ampiharina dia ampy hanasaziana ilay ramatoa ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre