Andranomadio Toamasina – Lasa faritra mena
Raha ny zava-nisy tato ho ato tany Toamasina dia tsikaritra fa saika tao amin’ny fokontany Andranomadio avokoa no tena nisehoan’ny tsy fandriam-pahalemana. Ohatra amin’izany ny fanendahana, fanafihana, vono olona mahatsiravina. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana ihany dia ao amin’io fokontany io no hisitrihan’ireo jiolahy rehetra mpanao ratsy any an-toerana. Vao ny alin’ny alarobia lasa teo no nisy tranga mamohehatra nataon’ireo olon-dratsy tao amin’io fokontany io. Raha tsiahivina, olona iray nitaingina kodiaran-droa no tapa-tanàna rehefa nokapain’ny mpanendaka tamin’ny antsy lava be, teny Andranomadio 11/43. Manoloana ireo tranga efa niseho tao amin’ity toerana ity dia natao ho “faritra mena” izany fokontany izany.
Mba hamongorana ny tsy fandriampahalemana misesisesy any Toamasina, indrindra ao amin’ny fokontany Andranomadio dia tokony hamafisin’ny mpitandro filaminana ny fiaraha-miasa matotra amin’ny sefo fokontany sy ny sefo « carreau » ary ny vahoaka eny ifotony. Fantatra fa olona miara-monina miaraka amin’ny vahoaka ireo mpanao ratsy ireo ka adidin’ny tsirairay amin’ny maha-olom-pirenena no miampanga ireo mpandoto ny tanàna ireo, hoy hatrany loharanom-baovao izay tsy nitonona anarana.
Laurena Nany