Andron’ny marary – Nanome fanafody maimaim-poana ny toeram-pitsaboana Marie Stella
Toy ny efa fanao isan-taona dia mankalaza ny andron’ny marary, ny 11 febroary ny « Centre médical Marie Stella, eny Analamahitsy. Amin’ny maha andron’ity toeram-pitsaboana ity io daty voalaza io dia nanao hetsika manokana ho an’ny marariny izy. Raha tsiahivina mantsy, ny 11 febroary 2015 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy io toerana io.
Ho fanamarihana izany indrindra dia niavaka ny fankalazana tamin’ny fanomezana fanafody maimaim-poana ireo marary tonga nizaha fahasalamana tao. Mbola nomena spiruline ihany koa izy ireo, izay mampiavaka ity toeram-pitsaboana ity. Ny spiruline izay manome hery haingana ny marary sy manampy ny hery fiarovana ary manala ny poizina ao amin’ny vatan’ny olombelona ka miisa 25 eo ireo tonga teny an-toerana nahazo tombontsoa tamin’izany.
« Mbola nanoro hevitra ireo marary ihany koa izahay satria mila herintsaina sy herim-po sy fahendrena ary fahiratan-tsaina ny fikolokoloina ny fahasalamana ka samy hahatratra 90 taona avokoa ny malagasy fa tsy ho 65 taona ny faharetam-pahavelomana. Manana voankazo, legioma sy zavatra natoraly betsaka isika ary ranomasina ampy hahasalama ka tokony hazoto hihinana izany », hoy Dr Feziny.
Ny 11 febroary 1858, niseho tamin’ny Bernadette Soubirous tao amin’ny lava-bato antsoina hoe Massabielle tao akaikin’ny tanànan’i Pyrénées any Lourdes ny tovovavy iray irak’i Masina Maria fa ho sitrana avokoa izay misotro rano ao amin’izany toerana izany. Nanomboka tamin’io fotoana io dia natokan’ny mpino katolika ho fetin’i Masina Maria « Notre Dame de Lourdes » ny datin’ny 11 febroary izay napetraka ho andron’ny marary satria ilay toerana Lourdes lasa fiandrandrana ny fahasitranana mahagaga.
L.N