Fitoniana vita kajikajy !
Ireharehan’ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny filazana fa nahavita nametraka fitoniana ara-politika teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2015 lasa iny. Ny mifanohitra amin’izany anefa no zava-misy satria ny fanapahan-kevitra sy fihetsika ary fandranitana nataon’ny fitondram-panjakana hatrany no toa vao mainka niteraka savorovoro teto Madagasikara. Ireny fitsipaham-pitokisana ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika izay nataon’ny solombavambahoaka ireny dia tsy noforonina tamin’izao fa niainga tamin’ny fanapahan-kevitra hitan’ireo parlemantera sy tsy manaraka ny Lalàmpanorenana. Toy izany ihany koa ny fitokonana rehetra niainga teny anivon’ireo sampan-draharaham-panjakana sy orinasam-panjakana isan-tsokajiny. Fanapahan-kevitra sy vava tsy ambina avy amin’ny mpitondra tompon’andraikitra hatrany ny nandrehitra ny afom-pitokonana sy fihetsiketsehana tetsy sy teroa. Matoa nitokona ny mpianatra dia noho ny tsy fandoavana vatsim-pianarana. Mitovy tsy misy valaka amin’izany ihany koa ny amin’ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Santionany ireo fa saika ny tsy fanatanterahan’ny mpitondra ny fampanantenany hatrany no mahatonga tsy fitoniana eto amin’ity firenena ity. Resa-be ary mbola ho ela vao hisy io fitoniana io raha mbola mitohy amin’ny fombany hatramin’izay ny mpitondra.
Nanaitra ny maro ary lasa niteraka ady hevitra be teto amin’ny firenena ny valin-kafatry ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tamin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina tany atsimon’ny Nosy. Tsy zakan’ny fitondram-panjakana mihitsy ny nisongonan’ny filohan’ny tetezamita azy ireo tamin’ny fanampiana ireo malagasy mosarena any Atsimo. Tonga namana vao mavomavo araka ny fiteny satria ny olona manampy azy ireo indray no nanaovana vava be. Andraikitry ny fitondram-panjakana tanteraka ny fanomezana sakafo sy rano ny vahoaka malagasy nefa tara izy ireo vao nidina tany Atsimo. Ireo nandray andraikitra mamonjy ny mpiray tanindrazana indray no nomena tsiny sy notondroina ho misalovana ny anjaran’ny hafa. Tonga hatramin’ny fampitandremana an-kolaka mihitsy aza ny valin-kafatra nataon’ny mpitondra nefa tsy nisy olona nikasa ny hanao fanonganam-panjakana tany fa fanaterana fanampiana no natao. Ny fihetsika feno fihantsina avy amin’ny mpitondra izay heverina ho raiamandreny filamatra, toy izany ihany no mahatonga savorovoro eto amin’ny firenena. Toa ireo natao andamina sy miantso fitoniana indray no mamoaka vava handranitra ny hafa ka hiteraka savorovoro eto. Soa fa manam-pahendrena sy fanetren-tena ilay norangitina ka nangina sy tsy namaly mba tsy hisian’ny savorovoro.
Mandefitra tsy mahafaty, ary ny mangina volamena. Tsy midika faharesena ihany koa ny fahanginana nefa toa misy fetra ihany. Manaporofo izany ny fihetsiky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nangina izy rehefa tratran’ny tambaben’ny mpitondra manoloana ny ady tany eny Andohatapenaka ifanaovany amin’ny Fanjakana. Nipoitra tampoka indray anefa ny tenany ary nilaza fa tsy hanaiky ary hiady hatramin’ny farany fa azy io tany io. Nanakiana mafy ny fitondram-panjakana ihany koa ity filoha teo aloha ity ary nampiseho mazava fa tsy mahomby amin’ny fitantanana ny firenena sy ny asa fampandrosoana ireo mpitondra ankehitriny. Mampiseho izany rehetra izany fa maro ireo tsy mankasitraka ity fitondrana ity ary miandry kendry tohana fotsiny dia hihetsika hitaky ny zony. Manoloana ireo rehetra ireo anefa dia ny kabary tsy valiana sy fidokafan-tena miampy fandrahonana sy fihantsina no tetik’ady ambony asehon’ny mpitondra. Tsy fantany fa mila fitoniana izy ireo ary na izy samy izy ao anaty fitondrana aza tsy mifampatoky sy mifamingana. Tsy nandà izany mihitsy ny filoha ary toa nanamarina an-kolaka, nandritra ny tafa nataony tamin’ireo mpanao gazetiny, fa efa misy ireo minisitra tsy azo itokiana ao anaty governemanta.
Tsy dia mitombina loatra, noho izany, ny filazana fa nahavita ezaka amin’ny fametrahana fitoniana eto amin’ny firenena ny fitondrana. Na ara-politika, na ara-tsaina dia savorovoro no iainana eto. Ataon’ny vahoaka ahoana moa no hanana fitoniana raha toa ka mbola toy izao ny fahantrana sy ny fanararaotam-pahefana sy ny adilahy politika eto amin’ny firenena ?
Ravalo tsy Manana