Vous êtes ici :

Jeudi 24 Octobre 2024

ombre

Ambatondrazaka – Zazavavy kely 7 taona naolan’ny tovolahy 18 taona

Simba tanteraka ilay zazavavy kely vao 7 taona monja noho ny fanolanana nataon’ny tovolahy 18 taona azy, taorian’ny fizaham-pahasalamana natao taminy raha ny nambaran’ny rainy. Zana-drahavavin-dreniny ihany io tovolahy nahavanon-doza io ary tsy miara-mipetraka amin’izy ireo fa sendra nangataka ny hivantana tao, andro vitsy mialohan’ny hihazoany an’Imerimandroso, taorian’ny fahatongavany avy any Toamasina.Sendra avy nianatra ilay zazavavy kely no tsikaritry ny tao an-trano ho hafahafa satria sady nanao ranomaso be no nifona.Taorian’izay dia notantarainy tamin’ny antsipiriany ny nanaovan’ilay tovolahy azy ary nanambara izy fa notampenana ny tarehiny tsy ahafahana mandre ny antsoantsony.Mbola nandrahona azy ihany koa ity tovolahy ity ka tsy sahy nitantara tamin’ny tao an-trano ilay zazavavy kely talohan’io fotoana io. Marihina fa efa tsy tao amin’izy ireo intsony ilay tovolahy tamin’io andro izay nipoiran’ny marina io fa efa lasa tany Imerimandroso. Ny rain’ ilay zaza mihitsy avy eo no nirotsaka an-tsehatra nanao ny fikarohana azy ary nanome vaovao ny mpitandro filaminana taorian’ny fahatratrarana ilay nahavanon-doza. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre