Vous êtes ici :

Mercredi 23 Octobre 2024

ombre

Toamasina II – Taolam-paty 26 hitan’ny fokonolona

Taolam-paty miisa 26 no hitan’ny olona, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Manantohatra, fokontany Antanambao, kaominina Fanandrana, any Toamasina faharoa, ny zoma 12 febroary lasa teo. Tonga teny amin’ny biraon’ny zandary ny lehilahy iray, tokony tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any nampilaza azy ireo ny fisian’ireo taolam-paty ireo tamin’io tanàna voalaza etsy ambony. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo zandary niaraka tamin’ny tompon’andraikitra ny Bmh nijery izany ka araka ny fizahana natao dia avy amin’ny razana miisa 3 ireo taolana ireo, ka miisa 11 ny taolan-dava raha toa ka mahatratra 15 ny taolana madinika.  Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia nilaza ho tsy naheno sy tsy nahitana vaky fasana mihitsy tany an-toerana tato ho ato. Tombanana ho narian’olona teo amin’io tanàna io noho izany ireo taolana ireo rehefa tsy nahitana mpividy. Nandray andraikitra kosa ireo fokonolona nandevina ireo taolam-balo teny amin’ny fasam-bahiny. Misokatra ny fanadihadiana.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre