Vous êtes ici :

Mercredi 23 Octobre 2024

ombre

Fahasalamana – Tsy manana vola natokana amin’ny fitsaboana ny malagasy

Ny Malagasy dia manana fahazarana tsy manatona mpitsabo raha tsy efa mihombo ny aretina. Tsy mba ohatry ny any  amin’ny tany mandroso izay manatona dokotera avy hatrany mangataka toro-hevitra na fanafody rehefa misy tsy metimety amin’ny vatany, fa aleon’ny malagasy mihafy. Raha zohina dia efa toa lasa kolontsain’ny marary mihitsy izy io ka tokony hanaraka izany ny mpitsabo rehetra, araka fanambaran’i Dr Feziny, eny  amin’ny toeram-pitsaboana Marie Stella.

Tokony mipetraka amin’ny toeran’ny marary foana ny mpitsabo ary miezaka mampianatra azy ireo amin’ny fanomezana toro-hevitra fa tsy manome tsiny rehefa tsy manatona azy ireo. Mbola olana eto Madagasikara mantsy ny tsy fananan’ny ankamaroan’ny malagasy ny vola natokana amin’ny fitsaboana hany ka lasa miraviravy tanana miandry fahafatesana. « Ny aretina anefa mandany vola foana na tiana na tsy tiana izay mahatonga ny vola ka izay no mba  misy vola atokana amin’ny fitsaboana ho an’ny mpiasa anefa tsy ny olona rehetra no misitraka izany ka tokony hanetry tena foana ny marary milaza ny fahafahany rehefa tsy manana hividianana fanafody mba ahafahana manatsara ny toe-pahasalamana. »

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre