Vous êtes ici :

Mercredi 23 Octobre 2024

ombre

Raharaha fitsaram-bahoaka tany Sambava – Nitsimbadika indray ny tantara

Rehefa nangina ny raharaha fitsaram-bahoaka izay niseho tany Sambava, taorian’ny raharaham-pihavanana nataon’ny fianakaviana roa tonta dia nitsimbadika indray ny tantara telo volana aty aoriana. Ny farany volana novambra 2015 no nitranga ny tantara raha tsiahivina. Tamin’izay fotoana izay,  raha hihazo an’Andapa ny lehilahy mpandraharaha lavanila iray 50 taona eo ho eo, dia nijanona sady nanontany olona tena manankarena tao amin’ny tanàna atao hoe Andohanantsahabe.

Vao lasa anefa izy io dia nanely tsaho ilay olona nanontaniana fa hoe misy dahalo lasa any hikasa hanafika ny tanàna, hany ka, raha vao naheno an’io ny fokonolona dia nisahotaka ary nanao barazy. Nampandrenesina ihany koa ilay mpandraharaha dia niverin-dalana ary tamin’ny fandosirany indrindra no nandona barazy tao Tsarandrano ary nifatratra teo amin’ny tranon’olona ka nahafaty zazalahy 11 taona. Tezitra tamin’io ny fokonolona ka maty notetehan’izy ireo ilay lehilahy. Araka ny fanambaran’ny havan’ilay zaza namoy ny ainy anefa dia efa nanao raharaham-pihavanana ny roa tonta ka nanolotra vola 1 tapitrisa ariary ny havan’ilay zaza maty ny fianakavian’ilay mpandraharaha tamin’izay fotoana izay.

 

Mangataka ny hisian’ny mangarahara

Taorian’ny baiko fisamborana avy amin’ny Fitsarana voarain’ny zandary anefa dia nosamborina ny zoma maraina tamin’ny 5ora, ny rain’ilay zaza ary nalefa any am-ponjan’Antalaha miandry ny famotorana faharoa amin’ny zoma ho avy izao. Ity farany izay voampanga ho atidoha nitarika an’iny fitsaram-bahoaka iny. Araka ny filazan’ny havan’ny maty dia niezaka nitady ny ben’ny tanàna an’Ambodiampana izy ireo vao niseho ny fisamborana fa tsy hita izay nalehan’Ingahy ben’ny tanàna, kanefa izy no vavolombelona nandritra ny fanaovana ilay raharaham-pihavanana. Tsy mety miaro ny rain’ilay zaza ihany koa amin’izao fotoana izao ireo mpisolo-vavany miisa 2. Fantatra ihany koa fa nisy zandary mihitsy niaraka tamin’ilay mpandraharaha tamin’ny nitrangan’ny loza fa tsy hita ireo olona ireo amin’izao fotoana izao. « Manahy, noho izany, izahay sao dia efa voavidy vola avokoa ireo olona rehetra ireo. Ny mpitory ihany koa mpanankarena. Ny angatahinay dia ny mba hisian’ny mangarahara ihany », hoy hatranyny havan’ny maty.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre