Vous êtes ici :

Mercredi 23 Octobre 2024

ombre

Mangamila – Mpianatra enim-bavy nihetsika ambalavelona

Raha tany Miandrivazo foana no nahenoana ny aretina ambalavelona hatramin’izay dia tonga any Mangamila, distrikan’Anjozorobe indray ity aretina hafahafa ity. Ankizivavy mpianatra ny lisea sy Ceg 14 ka hatramin’ny 17 taona miisa 6 no voalaza fa nihetsika ambalavelona ny 8 febroary lasa teo, araka ny tatitra avy amin’ny zandary. Toratorana dia avy eo mitomany ary voan’ny fanintontsintona ireo ankizy ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana vao nampandrenesina ny zava-nisy ary nandray fepetra tamin’ny fanakatonana ireo toeram-pianarana ireo ny 10 ka hatramin’ny 12 febroary lasa teo. Ireo ankizy kosa nentina namonjy hopitaly CsbII ary efa nahazo fitsaboana. Mihorohoro tanteraka ireo ray aman-dreny amin’izao fotoana izao satria mbola tsy fahita tany an-toerana hatramin’izay mihitsy ity karazana aretina ity, araka ny tatitra azo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre