Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Lomorina avy any ambony !

Nahitsy fitreny ary tsy nitsitsy ny teo anivon’ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi) ny zoma lasa teo raha nanao tatitra mikasika mikasika ny fandinihan’izy ireo ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny. Nohitsin’ireto avy eo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena izay ahitana manam-pahaizana maro fa avy any an-tampon’ny fitondram-panjakana mihitsy no misy tsy mety ny fitantanana ny firenena ka mila amboarina. Miteny an-kolaka ny Sefafi fa tsy mahomby ny mpitondra ankehitriny ary mila fanovàna ny fitantanana ny firenena. Fomba fijery iray tena mifanohitra tanteraka amin’ny an’ny  mpitondra fanjakana io satria ireto farany dia tsy mitsahatra mamerimberina fa tena miasa ary mahazo fahombiazana sy vokatra mahafa-po. Iza izany no manana ny marina ? Ny Sefafi sa ny mpitondra ?

Tsy anjaranay  ny hamaly izany fa ny vahoaka. Ity « Bala » tsy natao hiarovana na hanenjehana sokajin’olona fa kosa natao hilazana ny marina tsy nasiam-panitsiana. Raha ny zava-misy aloha izay matetika averimebrina eto dia miaina tanteraka ao anaty fahantrana sy tsy fisiana ny vahoaka malagasy. Satry hiresaka zavatra hafa saingy izay no misy ka tsy afaka ny hamorona. Tao anatin’ny roa volana niandohan’ity taona ity dia tsy nitsahatra niakatra ny vidin’ny entana eny an-tsena. Mahagaga ary tsy manaraka ny lojika izany satria ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tsy nitsahatra nidina. Ny teto Madagasikara nisy fihenany kely na dia tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy aza. Raha ny lojika izany, tokony ho nihena avokoa ny saram-pitaterana rehetra ka nihena niaraka tamin’izay ny vidim-piainana. Tsy izany no nitranga fa manao be marenina ireo mpitatitra ary manizingizina fa tsy hampihena ny saram-pitaterana izy ireo. Mody tsy mahita sy tsy maheno na mitazam-potsiny ny mpitondra fanjakana manoloana izany rehetra izany. Tsy mahagaga satria mampiasa vola amin’ny sehatry ny fitaterana avokoa ny ankamaroan’ny olona ambony eo anivon’ny fitondrana. Izay bizina sy didy antsy azo tamin’ny fanodinana fananam-bahoaka dia ampiasaina hividianana fiara fitaterana toy ny taksibe, taksiborosy, 4×4 ary kamiao ampanofaina. Tsy hihetsika sy hanery ny mpitatitra hampidina ny saran-dalana mihitsy ny mpitondra satria very fihinanana eo izy ireo. Mbola torak’izany ihany koa ny vidin-tsolika izay tsy mihena araka ny tokony ho izy. Olona mahita tombontsoa ao anaty fanjakana ihany koa ny maro amin’ireo mpandraharaha amin’io sehatra io ka tsy hanao izay hampihena ny vola miditra any amin’izy ireo. Tsetsatsetsa tsy aritra tsy maintsy notsiahivina iny vidim-piainana iny satria zava-misy iainan’ny malagasy 22 tapitrisa isan’andro. Toy ny valala voatango ka izay mahasoa ataon’Andriamanitra sisa ny fiainan-dramalagasy fa raha ny hanantena fampandrosoana dia nofinofy sy revin-gadra fotsiny. Ataon’ny mpiasa madinika sy ny manao asa tenany ahoana moa ny hanangom-bola hividianana trano sy fiara mba ahafahana miaina toy ireo mpitondra fanjakakana ambony. Ny karama raisina isam-bolana sy ny vola azo isan’andro aza tsy ampy hividianana sakafo akory.

Miverina amin’ilay fanontaniana tery ambony isika hoe iza no manana ny marina ny Sefafi izay milaza fa tsy mahomby ny mpitondra sa ireto farany manizingizina fa afa-po amin’ny asa nataony sy ny vokatra azony? Samy manana ny tanjona tiany ho tratrarina kosa angamba e! Mety kokoa ho an’ny mpitondra raha toa ka gisitra amin’ny sehatra rehetra i Madagasikara ary marefo ny vahoaka malagasy satria tena ilain’ny antontan’isa andrafetana tetikasa angatahana fampisamboram-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. Iza tokoa moa no ampisambotra ny efa manana fa tsy maintsy izay farahidiny sy fadiranovana ihany no ampiana tosika ? Mba tsy menatra ireo mpitondra fanjakana malagasy mieboebo fa tena manana ny lanjany eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena nefa vao miresaka amin’ny vazaha, ny fitarainana sy fangatahana no mameno ny kabary. Ilay toe-tsaina mihitsy angamba no efa lomorina ka. Tsy mba hanao ezaka amin’ny herin’ny tenany fa tsy maintsy hangataka lava izao.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre