Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ambatondrazaka – Adala mirenireny ao an-tsena – tsy misy fandraisana andraikitra

Andro vitsivitsy izao no nisian’ny adala vavy iray izay matory na mipetraka hatrany eo afovoan’ny arabe. Raha ny zava-misy dia manana havana monina amin’ny fokontany iray manakaiky ny tsena izy io kanefa  tsy raharahian’izy ireo fa avelany mihenjy fotsiny. Voatery  ny mpampiasa lalana no mitandrina noho izany satria amin’ny lalana tena be mpampiasa no ahitana azy. Maro amin’ireo mahita noho izany no mitaintaina sy manahy sao misy loza mihatra aminy  sy tsy mieritreritra akory ny mety hahafaty azy. Misy amin’ireo mpamily fiara no milaza fa raha sanatria anefa voadona tsy nahy io adala vavy io dia inoana fa hipoitra ao anatin’ny fotoana fohy ireo havany ary hitaky vola be ankoatra ny fidirana am-ponja mahazo ilay nandona. Tsy io ihany akory fa maro amin’ireo adala mirenireny an-tsena ireo no mamoaka teny tsy fampiseho masoandro no sady midaroka tampoka izay sendra azy indraindray. Misy amin’izy samy izy ihany koa no manao firaisana ara-nofo ampahibemaso izao amin’ny andro antoandro ka mampitafy henatra ireo mandalo. Gaboraraka ary tafahoatra loatra araka izany ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny karazan’olona toy ireny izay tsy tokony hamaivanin’ny mpitondra mihitsy fa tokony andraisana fepetra hentitra, tahaka ny fitakiana hetra amin’ny vahoaka amin’ny lafiny maro izay tontosaina ankehitriny.

Ange R.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre