Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Port-Bergé – Fatim-behivavy hita teo amoron’ny ranon’Anjombony

Ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 6 ora hariva no nahitan’ny olona fatim-behivavy iray, teo amoron’ny ranon’Anjombony, tao Bemanevaka, kaominina Leanja, any Port-Bergé. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona ka nidina teny an-toerana nanao ny fizahana sy famotorana ny zandary miisa 2 niaraka tamin’ny dokotera avy amin’ny CsbII.

Rehefa nojerena ny razana dia hita fa efa simba be. Nihohoka ilay izy ary tsy nisy nahafantarana azy. Tsy nisy taratasy raha teo teny aminy nahalalana azy sy ny fiaviany. Mbola nisy akanjo kosa teny aminy saingy efa nanomboka ho simba ihany koa. Ny lamosina izay tsy difotry ny rano, feno lalitra.

Tsy nahitana soritra namantarana zavatra mampiahiahy kosa ny razana ka tsy fantatra mazava ny antony nahatonga azy teny amin’ny sisin’ny rano. Tombanana ho maty niampita renirano ka navalan’ny rano avy eo ity vehivavy ity ary efa andro vitsivitsy no tao anaty rano tao ny razana. Natolotra ny fokonolona tao Bemanevaka ny vatana mangatsiaka taorian’ny fizahana ary nalevin’izy ireo avy hatrany.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre