Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Vohipeno – Lehilahy maty novonoin’ny mpanendaka

Mitady hahazo vahana indray ny famonoana olona any amin’ny distrikan’i Vohipeno. Lehilahy iray sahabo 35 taona any ho any no hita faty nitsirara teny amoron-dalana, tao Analasoa, fokontany Ambohimanga. Ny zoma lasa teo, tamin’ny 6 ora maraina, no hitan’ny olona iray hamonjy fiasana ny razana. Nampandre ny tompon’andraikitra teo amin’ny fokontany ilay olona ka iry voalohany indray avy eo no nampilaza ny mpitandro filaminana ny zava-misy. Nirohotra nidina teny an-toerana nijery ifotony ny tranga-javatra niaraka tamin’ny mpitsabo izy ireo.

Fantatra nandritra ny fizahana fa maty nisy namono ity lehilahy ity satria nahitana … miisa roa teo amin’ny lohany. Mbola tsy fantatra kosa ireo nahavanon-doza fa tombanana ho nisy nanendaka izy io ka namaly ireo olon-dratsy ka izao niafara tamin’ny famonoana azy. Natolotra ny havany ny vatana mangatsiaka taorian’ny fizahana. Efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre