Sambava – Ramatoa maty niakatra tosi-drà tao amin’ny biraon’ny fokontany
Renim-pianakaviana 52 taona iray no maty tampoka, tao amin’ny biraon’ny fokontany, vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka. Ny sabotsy lasa teo no nisehoan’izany, tany Sambava. Raharaha nampifanolana azy io sy ny mpifanolo vodirindrina aminy no nahatonga izany. Lasa nitory teny amin’ny sefo fokontany ilay ramatoa ka ny sabotsy teo nampanantsoina teny an-toerana ny roa tonta.
Nidina teny an-toerana izy mivady niatrika ny raharaha ka samy nampiaka-peo izy sy ilay olona nitoriana nandritra ny fanadiahadiana nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ilay fokontany. Raikitra avy eo ny fifamaliana tamin’ny roa tonta. Tsy nahatanty izany anefa ilay renim-pianakaviana ka maty tampoka teo imason’ny vadiny sy ny sefo fokontany ary ilay mpifanolo-bodorindrina aminy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany ka nidina teny an-toerana iry voalohany niaraka amin’ny mpitsabo. Nandritra ny fizahana no nahafantarana fa vokatry ny fijanonan’ny fo tampoka no nitarika ny fahafatesany.
Manoloana ity voina niseho tamin’ity ramatoa ity dia aleo ihany mitandrina ny tsirairay rehefa misy fifandirana na olana. Araka ny fitenenana hoe « Aleo mandefitra manana ny rariny » toy izay matimaty foana.
Laurena Nany