Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Atao varo-boba Iarivo

Roapolo isan-jato fotsiny ! Io no vola miditra ny kitapom-bolan’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny saram-piantsoan’ny fiara eny Analakely sy Antaninarenina ary Antsahavola. Izany hoe raha mandoa Ar 500  ny mpamily iray dia ny Ar 100 ihany no afaka ampiasaina hanasoavana ny tanàna sy ny vahoaka fa ny Ar 400 lasan’ilay orinasa mampanofa ireo fitaovana hitiliana ny vola sy ny sazy tokony aloan’ny mpitondra fiara. Hafakely ity resaka fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny tanànan’Antananarivo renivohitra ity satria toa ny vahoaka indray no teren’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany hamelona orinasa tsy miankina. Ny antsoina hoe fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy mainkina sy ny sampan-draharaham-bahoaka (3P) mantsy hatramin’izay dia ny orinasa tsy miankina no mamoaka vola hanamboarana foto-drafitr’asa toy ny lalana, tsena, fiantsonan’ny fiara sns… Manan-jo hametraka dokam-barotra maimaim-poana, na ihany koa hampanofa ireny foto-drafitr’asa ireny ilay orinasa avy eo. Ny zava-misy eny Analakely sy ny manodidina anefa dia foto-drafitr’asa efa an’ny kaominina hatramin’izay nisiany no tadiavin’ilay orinasa ampanofaina lafo be. Miteraka fatiantoka iray lavaka ho an’ny kaominina ity raharaha ity satria vola Ar 500 isan’ora tokony hirotsaka manontolo any anaty kitapom-bolan’ny kaominina lasa zaraina amin’ny orinasa tsy miankina izay manao am-pihimamba ny Ar 400. Raha tena jerana amin’ny saina tsy miangatra ary tsy misy  kajikajy politika, tsy misy ilan’Antananarivo renivohitra izany « horodateur » izany mihitsy. An’ny kaominina ny lalana sy ny fiantsonan’ny fiara ka raha andoavam-bola ny fampiasana izany dia tokony hiditra manontolo any amin’ny kaominina ny vola. Ahafahana mandoa ny karaman’ireo mpiasa izay voatery ho roahina ny vola azo amin’ny saram-piantsonana satria ireto farany dia ilain’ny vahoaka amin’ny fanatsarana ny tanàna.

Manaonao foana ary tsy mijery ny maha olona ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Azo tsorina mihitsy fa mivarotra an-kolaka ny tanàna izy ireo raha toa ka manome orinasa tokana hanao ampihimamba ny vola arotsak’ireo mpampiasa fiantsonana. Tsy olana ho an’ny mpitondra fiara ny handoa izay Ar 500 isan’ora saingy kosa mitaky izy ireo mba hanasoavana ny kaominina manontolo ny vola naloany fa tsy omena izay sehatra tsy miankina any. Raha te hampiasa vola ny sehatra tsy miankina dia afaka mividy tany midadasika hanamboarany saram-piantsonana manokana dia iny no ampanofainy fa tsy ny fananam-bahoaka no fariparitana sy atao fitadiavam-bola. Sanatria tsy manome tsiny ilay orinasa mpampanofa « horodateur » satria fitadiavana sy fampiasam-bola ny azy ary tsy misy hadisoany mihitsy satria nahazo alalana ara-dalàna izy hanao izany, saingy ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina mihitsy no tsy mazava. Milaza fa kinkina sy tsy manam-bola ary mikasa ny hisambotra vola be tsy toko tsy forohana nefa ny vola tokony hiditra amin’ny kaominina mbola ho zaraina amin’ny hafa indray. Mbola ny toeram-piantsonana no hanombohana ny fanaovana varo-boba ny foto-drafitr’asa sy ny fananan’ny kaominina fa raha izao no mitohy dia hidangana be ihany koa ny hofan’ny tsena sy ny toerana hafa eto an-drenivohitra. Mazava mantsy fa hiditra amin’ny fanomezana ny fitantanana ny tsena sy ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka ho an’ny tsy miankina ihany koa ny kaominina ka hiteraka olana goavana ho an’ny vahoaka indray izany. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe rehefa mety ihany ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sady tsy vitan’ny ben’ny tanàna irery ny fitantanana ny kaominina Antananarivo renivohitra, maninona moa raha omeny ny tsy miankina ny toerany amin’izay izy mba mitsotsotra miandry ny roapolo isan-jato fotsiny sisa fa tsy miasa saina intsony.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre