Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Nangalatra solosaina enti-tanana – Lehilahy iray saika iharan’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray no saika nanaparan’ny fokonolona ny hatezerany, tany Toamasina, ny alatsinainy lasa teo. Nangalatra solosaina enti-tanana iray tao amin’ny magazay  teny akaikin’ny lapan’ny tanàna izy io no tsikaritry tompon’ny entana, raha nivoaka ilay toerana. Nandositra tao anaty Bajaj nijanona manoloana ilay magazay ilay mpangalatra no nenjehen’ny tompon’ny entana sy ny fokonolona ka noraisim-potsiny rehefa tonga teny amin’ny hopitaly kely.

Soa fa nisy polisy teo ka afa-doza ilay tovolahy, raha nikasa hikasin-tanana azy ny fokonolona. Ankoatra ilay solosaina enti-tanana dia mbola nahitana fitoeran’izany miisa 2 hafa teny aminy. Efa fanaony  ny mangalatra itony karazana solosaina itony, araka ny angom-baovao voaray. Efa betsaka ihany koa ireo olona mitaraina very izany, na ao anaty « cyber » na any an-dalana na anaty magazay ka ity lehilahy ity no voalaza fa tompon’antoka amin’izany. Naverina tamin’ny tompony ny entana. Niaiky ny heloka vitany ihany koa ranamana nandritra ny famotorana azy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre