Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Zotra Toamasina-Antsirabe – Raim-pianakaviana maty tao anaty taksiborosy

Rangahy iray sahabo ho 50 taona eo ho eo no namoy ny ainy tao anaty taksiborosy. Avy tany Toamasina hihazo an’Antsirabe no nitranga ny tantara mampalahelo. Tsy nisy nanam-po ny zavatra niseho. Ny rehetra nieritreritra fa mbola matory izy  io satria miankina tsara amin’ny fitaratra ny fiara ny lohany kinanjo efa maty ilay rangahy.

Nony tonga tao amin’ny fiantsonan’ny fiara tany Antsirabe mantsy ilay taksiborosy nitondra azy, omaly maraina, dia nidina avokoa ireo mpandeha rehetra fa ilay raim-pianakaviana irery ihany no mbola tavela tao anaty fiara. Niezaka namoha azy io ny mpanampin’ny  mpamily,  kanjo olona efa tsy miaina intsony ity manoloana azy. Vao nokitihany mantsy ilay rangahy dia nironjona fotsiny ny vatany. Nisahotaka ireo olona tany an-toerana indrindra ilay mpandeha nanakaiky ity rangahy ity. Raha nojerena ny entany dia tsy nahitana taratasy hamantarana azy mihitsy. Ireo olona teny an-toerana raha teo nilaza fa tsy misy mahafantatra azy.

Nampandre ny tompon’andraikitra ny Bmh any an-toerana, noho izany, ny fokonolona. Ahiana ho fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty ity lehilahy, raha ny fizahana natao. Naterina tany amin’ny tranom-paty ao Antsirabe ny razana mandra-pahatonga ny fianakaviany haka azy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre