Vous êtes ici :

Mercredi 08 Janvier 2025

ombre

Mikorontana ny tanàna

Raikitra ny sakoroka eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy misy resaka politika mihitsy fa vokatry ny tsy fahaiza-miresaka sy tsy fifampitokisana eo amin’ny mpitantana ny tanàna sy ireo mpiasa ao aminy no nahatonga ny olana. Olona tokony hiara hiasa hampandroso ny renivohitra lasa mifandrafy sy miady ary mifamingana satria samy te hijoro amin’ny heviny. Amin’ny lafiny maha olona dia tsy misy hankasitraka izany fandroahana faobe mpiasa miisa 200 mahery izany na aiza na aiza. Raha resa-bola no nahatonga ny olana satria tsy manana andoavana ny karaman’izy ireo ny eo anivon’ny kaominina dia azo natao tsara ny nitady fomba hafa hanovana ny asan’ireo olona noroahina ireo. Iaraha-mahita rahateo fa anisan’ny mpitantana tia mitaky vola indrindra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Manaporofo izany ny fanondrotany ny saran’ny fikarakaran-draharaha rehetra eny anivon’ny fokontany sy ny boriboritany. Niakatra zato isan-jato ohatra ny saran’ny fanamboarana kopia nahaterahana. Izany hoe tokony niakatra toy izany ihany koa ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Nampiakarana ho Ar 500 isan’ora ihany koa ny saram-piantsonan’ny fiara. Midika ihany koa izany fa niakatra ny vola miditra amin’ny kaominina. Tsy hita anefa izay asa fampandrosoana tanterahina hatreto satria tsy misy mihitsy ny fikitihana sy fanatsarana ny foto-drafitr’asa. Ny lalana feno lavaka sy tampenana, ny lakandrano tsentsina tsy diovina, ny zaridaina tsy amboarina, ny fako sy loto zara raha misy mamafa. Dia ataon’ny kaominina aiza avokoa izany ny vola miditra rehetra nefa ny mpitantana teo aloha aza nahavita nandoa ny karaman’ireo mpiasa ho roahina ireo. Mbola manjaka ny valifaty politika sy ny fanaovana kitranoantrano eto amintsika ka izay mahazo seza sy fahefana dia manilika ireo madinika nahazo asa tamin’ny mpitondra teo aloha mba ampidirana ny havana aman-tsakaiza, sy zanak’anabavy ary ny mpiray antoko. Tsy orinasa anie ny kaominina fa vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana e! Tsy mitovy amin’ny fitantanana orinasa ny fitantanana tanàna ka izay didy jadon’ny patrô sy ny vady aman-janany no tsy maintsy atao. Tsy vitan’ny hoe tsy tiako itsy fa roahy, sy ny hoe izaho no manapaka izaho no mandidy ny fitantanana ireny vondrom-bahoaka ireny.

Ho sahirana ity kaominina Antananarivo renivohitra ity ary tsy handroso mihitsy raha mbola toy izao no fomba fiasa ao. Didy jadona sy tsy fihainoana ny hafa fa izay sitrapon’ny manam-pahefana hatrany no tanterahina. Hatramin’ny vahoaka no hanamparana ny toe-tsaina tsy refesi-mandidy ka izay mihetsika dia sazy sy fandoavam-bola no arangaranga. Angaha izy ity fanjakan’i Baroa ka izay mitovy hevitra amin’i Patrô dia ho saziana. Maro ihany ireo mpitondra niseho azy ho henjana teto ambonin’ity tany ity fa tsy naharitra ela izy ireo. Tsy nisy mafy noho i Adolphe Hitler fa rehefa notambaran’ny firenena maro lavo ihany, tsy nisy nalaza ho tsy misangy toa an’i Saddam Hussein fa rehefa ela nanjakazakana potraka  ihany, ary tsy nisy niseho azy ho azo kasihina toy ny kolonely Kadafi fa rehefa nihoatra ny fefy ny hadisoana nataony dia ratsy ny niafarany.

Santionany tsotra ireo entina eto ireo fa tsy mitondra voka-tsoa ny didy jadona sy fanaporetana ny vahoaka satria ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Ny vahoakan’Antananarivo akory tsy sanatria zaza maditra ka sazy sy fampihorohoroana lava izao no entina amerenana amin’ny laoniny ny fiainana eto. Lasa fitadiavam-bolan’ny kaominina mihitsy ankehitriny ny fahorian’ny vahoaka ka tonga dia sazy sy fandoavam-bola lava izao no setrin’izay lazaina fa tsy mety rehetra. Mba tsy rariny kosa izany e! Ny nantenaina hitondra fampandrosoana indray no lasa mitsentistra sy mampijaly ny madinika.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre