Vous êtes ici :

Jeudi 09 Janvier 2025

ombre

Ambodin’Isotry – Lehilahy iray vaky loha voadonan’ny lamasinana

Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalamby mahatsiravina, teny Ambodin’Isotry, omaly hariva, tamin’ny 6ora teo ho eo. Rangahy iray no naratra mafy nofaohan’ny lamasinana ka voatery nosokirina tao ambaniny mihitsy. Vaky ny lohany fa tsy maty ilay raim-pianakaviana, izay tena nahagaga ireo olona nanatri-maso ity loza ity. Eo akaiky eo moa ny Bmh ka nentina haingana notsaboina tao izy io fa atahorana ihany ny ainy, raha ny vaovao voaray.

Nampametra-panontaniana ireo olona teny an-toerana ihany koa ny nahavoadona ity raim-pianakaviana ity satria efa misy olona mampiomana foana eny an-toerana rehefa handalo ny lamasinana. Tapaka mihitsy aza moa ny fifamoivoizana amin’izany fotoana izany, « Mamo izy no tsy nahenoiny ny fiavian’ilay lamasinana sa ahoana ? » Nahasorena ireo mpampiasa iny lalana iny ihany koa ity loza ity satria niato ny fifamoivoizana. Ireo mpangaro-paosy kosa no nahazo vahana tamin’izany ary tsy vitsy ireo nitaraina very finday sy vola nandritra ny fitangoronana nijery ny tranga-javatra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre