Vous êtes ici :

Jeudi 09 Janvier 2025

ombre

Rn2 – Mpitondra môtô maty rehefa nifatratra tamin’ny kamiao

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena  faha 2 iny ny alatsinainy lasa teo. Lehilahy iray nitondra môtô marika Honda no namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny kamiao « semi-remorque », teny Ambatolaona Andrefana, fokontany Bevia, kaominina Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana, tokony tamin’ny 4ora sy sasany hariva. Nandeha mafy be tao anaty fiolanana sady fiakarana ilay nitondra kodiaran-droa, teo amin’io toerana voalaza io, raha nipoitra tampoka ilay kamiao, araka ny loharanom-baovao. Tsy nahafehy ny familiana intsony, noho izany, ilay mpitondra môtô ka nifandona tamin’ilay kamiao. Vokany, naratra mafy ilay lehilahy izay nifatratra tamin’ilay fiara vaventy ka nentina haingana namonjy ny hopitaly tao Manjakandriana. Nony tonga kelikely tao anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Potika ihany koa ilay kodiaran-droa raha tsy dia nisy fahasimbana firy ilay kamiao. Notazomin’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamilin’ny kamiao natao famotorana.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre