Vous êtes ici :

Vendredi 10 Janvier 2025

ombre

Hopitaly Besopaka – Hanamboarana trano fivoahana manara-penitra

Taorian’ny fitarainana sy antso avo amin’ireo manam-pahefana nataon’ny mponina any Sambava manoloana ny tsy fisian’ny trano fivoahana sy fidiovana ara-dalàna ao amin’ny hopitaly Besopaka dia nandray ny andraikiny i Zoky Vonjy, depiote voafidy ao an-toerana hanamboatra Wc manara-penitra ao amin’izany hopitaly izany. Efa nanomboka omaly ny asa fanamboarana ary ho voavaha tsy ho ela ny olan’ireo mitsabo sy ny marary ao amin’izany toeram-pitsaboana izany. Tsy hijanona amin’ny fanamboarana ihany fa handray zazavavy miisa 16 ihany koa ny solombavambahoaka hiasa hanadio ny hopitaly isan’andro mba tsy ho maimbo intsony.

Raha tsiahivina dia voatery mandeha eny ankalamanjana ireo marary rehefa hivoaka noho ny tsy fananan’ity hopitaly ity trano fidiovana sy fivoahana manara-penitra. Na ireo olona avy misedra fandidiana rehefa hiseka sy ireo hakana rà dia tsy maintsy mivoaka ety ivelany mitady toerana hivoahana sy hidiovana. Ho nofy sisa ireo olana nampanahirana ireo mararin’ity hopitaly ity.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre