Vous êtes ici :

Vendredi 10 Janvier 2025

ombre

Asan-dahalo – Omby maherin’ny dimampolo indray lasa

Miverina amin’ny heriny indray ireo dahalo amin’ny fandrobana ny fananan’olona. Tanàna roa amin’ny distrika roa samihafa indray no lasibatry ny jiolahy ny talata 16 febroary lasa teo. Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fanafihana ka najifa avokoa ny omby  miisa 53.

Tany amin’ny distrikan’i Lalangina no nitranga ny fanafihana voalohany, tokony tamin’ny 2ora maraina, tao amin’ny fokontany Ambatovaky, kaominina Androy. Dahalo maherin’ny folo eo ho eo nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika sy basim-borona no voalaza fa nandroba omby miisa 14 tao am-balan’olona iray. Raikitra ny fanarahan-dia vao niala ny tanàna ireo mpangalatra. Nisy ihany koa ireo nanao fisakanana tany Alakamisy Ambohimaha ka raikitra ny fifandonana tamin’ny roa tonta ary tafaverina ny omby iray.

 

Dahalo roa  sy fokonolona roa namoy ny ainy

Tao amin’ny toerana atao hoe Manjakarivohasina, fokontany Andohafarihy, kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanimandidy kosa no nitranga ny fanafihana faharoa, teo anelanelan’ny tamin’ny 3ora sy 5ora hariva teo. Dahalo miisa 18 nilanja basy no nanafika izany toerana izany ka lasa ny omby miisa 39.

Nanao ny fanarahan-dia ihany koa ny mpitandro filaminana izay nampian’ny fokonolona no nifanandrina rehefa tonga tao amin’ny kizon’i Manafinondry, fokontany Tsaramasoandro Andapasika, kaominina Miandrarivo, distrika ao ihany. Nahery vaika ny fifampitifirana ka namoy ny ainy ny roa tamin’ny fokonolona ary telo naratra mafy. Dahalo roa ihany koa no maty ary nisy ny naratra fa tsy fantatra ny isany. Omby iray koa maty nandritra ny fifanjevona teo amin’ny roa tonta. Manoloana ity tranga ity dia nandefa zandary hanampy ireo efa tany an-toerana ny avy any Tsiroanomandidy ka vaky nandositra ka namela ny omby ireo dahalo raha vao nahita ny fiavian’ny mpitandro filaminana.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre