Aretina hafahafa – Miparitaka manerana ny Nosy ny ambalavelona
Mitombo hatrany ny isan’ireo ankizivavy tratran’ny aretina ambalavelona ary mitombo manaraka izany ihany koa ireo toerana hisian’ity tranga ity. Saika tratra avokoa amin’izao fotoana izao ireo ankizy any ambanivohitra rehetra any. Tranga niseho farany izao tany Antandrokomby Mahasolo, distrikan’Anosibe an’ala tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ankizy maherin’ny folo any ho any no nihetsika ity aretina hafahafa ity. Ary ny tena loza dia mitovy daholo ny anaran’ireo olona tononin’ireo ankizy ary mponina any an-toerana ihany ireo voatonona ireo saingy tsy afa-manoatra ny ray aman-dreny noho ilay tanàna ambanivohitra be ka tsy afaka mitory.
Ny talata teo dia nidina tany an-toerana ny mompera iray nanamasina ny jiro masina tao amin’ny fiangonana any an-toerana ka nandritra ny lamesa dia niara-nihetsika avokoa ireo ankizivavy, hany ka voatery najanona ny fotoam-pivavahana fa lasa indray nanosotra menaka sy nivavaka azy ireo ilay mpitondra fivavahana. Manoloana ity aretina hafahafa tsy misy fanafana ity dia mangata-bavaka sy fiarahana mitady vahaolana amin’ny olona rehetra ny mponina any Antandrokomby Mahasolo satria tsy mba manana mpitandrina na mompera monina any an-toerana fa mandalo avokoa. Rehefa misy fety sy fotoam-dehibe ihany vao misy midina any.
Laurena Nany