Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Basy atifi-kavana !

Basy atifi-kavana ka arangaranga ! Io no foto-kevitra tena hitondrana ity « bala » ity eto amin’ny gazety Madagascar Matin. « Havana » no iantsoana ny rehetra satria tsy manam-pahavalo ny gazety ary tsy natao hanangam-pahavalo ihany koa. Izany akory tsy midika fa hisolelaka na hipasoka ny efa malama. Sanatria ! Tsy hanao izany izahay satria mivaona tanteraka amin’ny asa fanaovan-gazety. Tsy natao hanenjika olona na hankahala ihany koa ny « bala » fa kosa natao hiteny ny marina sy ny zava-misy eto amin’ny fiainam-pirenena. Ny gazety Madagascar Matin rahateo dia tsy manana foto-kevitra politika, na fironan-kevitra hafa fa mijoro amin’ny filazana ny marina ho fantatry ny rehetra. Tsy manohana antoko, ary tsy manohitra na iza na iza ny gazety fa miteny ny tsy mety ary mitatitra ny mety. Sarobabay ka izay voa aza tezitra, ary ny vay rahateo tsy sitrana raha tsy potsirina ka tsy maintsy hiteny ny zava-misy izahay ary tsy hanaiky ho tapenam-bava na oviana na oviana.

Nahatratra ny laharana faha-2000 ny gazety Madagascar Matin androany ary tsy mbola nivaona tamin’ny foto-kevitra nijoroany. Tsy azo vidiam-bola amin’ny felaka sy fizarana tombontsoa izahay, ary tsy laitran’ny balan’ny fampihorohoroana sy ny vono vorona ihany koa.Be ny matin-kambo fa tsy mandray felaka, izahay izay manoratra eto kosa sahy milaza fa voalohany amin’ny tsy fandraisana izany. Mahavelona anay tsara ny karamanay ary tsy voavidin’iza na iza amin’izany felaka sy fizarana tombontsoa eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy antoko ary sehatra tsy miankina isan-tsokajiny izany ny tenanay. Ity « bala » ity dia amim-pahalalahana tanteraka no anoratana azy ary tsy mbola nisy na iza na iza nanome baiko na toromarika izany fa ny Madagascar Matin dia gazety mijoro amin’ny fahamarinana ary miady ho an’ny fahalalahana hatrany mba tena hanomezana hasina ny asa fanaovan-gazety. Tsy mora ny nandia izay laharana 2000 izay fa maro ny sedra niainan’ny Madagascar Matin. Tsy azo adino fa tantara ratsy teo amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny fanagadrana nataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny Talen’ny famoahana sy ny tonian-dahatsoratr’ity gazety ity tamin’ny volana jolay 2014. Ireo lohan’ny gazety mihitsy no notapahina mba hahafaty ny Madagascar Matin saingy tsy niondrika fa vao mainka nijoro ny mpiara miasa rehetra hanandratana ny gazety. Nandritra ny herinandro, tsy nisy lohany satria nampijaliana tany am-pigadrana ireo mpitarika nefa vao mainka izany nampirehitra ny hambo-pon’ny mpiara-miasa ka nanosika azy ireo hanao izay vitany hanasongadinana ny gazety. Maro be ny nandalo tato amin’ny Madagascar Matin saingy vitsy no tafajanona satria mafy ary matetika dia mila hihatra aman’aina ny fiatrehana ny asa filazana ny marina sy ny zava-misy. Ny ekipa ankehitriny anefa dia sanatria ny hitarain-tana miepaka na hifezaka manoloana ny sedra sy ny risika isan-tsegondra izay manambana ny tsirairay.

Mafy ny gazety Madagascar Matin ary mijoro amin’ny fomba fisainana sahy, tsy kanosa ny mpiasa. Tsy fombanay ny manenjika ny osa ary fadinay ny hanararaotra ny fahorian’ny hafa mba hivarotana gazety. Izay no mahatonga anay tsy mamoaka faty olona sy rà mandrika matetika satria mba misy fanajana ny hasina sy ny fanahin’ireny lasibatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny vono olona ireny. Sahy kosa anefa izay milaza sy mitoroka ireo mihevitra azy ho tsy refesi-mandidy satria manana ny fahefana sy ny vola hanakombonana ny vavan’ny mpanao gazety hafa izay sodokan’ny sitrany ahay sy ny patsa indray mahandro. Tsy entam-barotra ny Madagascar Matin ka natao amidy hitadiavana tombontsoa sy hampanankarena fa kosa gazety mifikitra amin’ny etika sy ny deontolojia. Tsy voafehin’ny henamaso sy ny kitranoantrano ary tsy natao hamalifaly ny mpamaky satria fitaka sy fandrika mampikorosy ny asa fanaovan-gazety izany. Famaritana kely ny mombamomba ity bala ity sy ny fomba fiasan’ny Madagascar Matin io natao io koa misaotra antsika mpamaky tsy mbola nisaraka taminay ary mirary antsika rehetra hiara-dia hatrany amin’ny gazety.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre