Mpiasan’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola – 35 tapitrisa Ariary mahery ho an’ny mponina mosarena any Atsimo
Mahatsapa ny eto anivon’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola fa manana adidy amin’ireo mpiray tanindrazana any atsimon’ny Nosy noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hain-tany mianjady amin’izy ireo. Izany indrindra no nanosika ny mpiara-miasa tsy ankanavaka hanao fitia tsy mba hetra. Nahatratra 35.553.200 Ariary ny vola voaangona ho fanomezan-tanana ireo traboina. Efa mandray ny andraikiny ny fitondram-panjakana; maro ihany koa ny fanampiana isan-karazany efa voarain’ireo mponina any Atsimo kanefa ny mpiara-miasa ao amin’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola mbola mitondra ny voatsirambin’ny tanana.
Natolotry ny solontenan’ny mpiara-miasan’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, notarihin-dRakotoarimanana Gervais, minisitra, an-dRealy Onitiana, ministry ny Mponina, izany fandraisan’anjara ho amin’ny fanampiana ny mponina any Atsimon’ny Nosy izany, omaly 18 febroary 2016.
Nisaotra ny teo anivon’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola amin’ny maha ministry ny Mponina azy sady nisolo tena ihany koa ireo traboina, i Realy Onitiana. Nanome toky Rtoa ministra fa hipaka amin’ireo vahoaka sahirana tokoa ny tolo-tanana avy amin’ny mpiara-miasa eo amin’ny ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola ary izy mivantana no hanara-maso akaiky ny fandaniana ho amin’ny fampitaovana ao anatin’ny fangaraharana tanteraka. Tsy nohadinoiny ny misaotra manokana ny ministra Rakotoarimanana Gervais noho ny fahatokisana apetraka amin’ny ministeran’ny Mponina izay tarihiny.
Nangonin’I FR