Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Andron’ny sekoly – Natokana ho fanadiovana ny andro faharoa

« Faharanitan-tsaina ao amin’ny vatana salama, ho fahombiazana »  na (L’intelligence dans un corps sain, pour la réussite), no lohahevitra nentina nanamarihana ny andron’ny sekoly tamin’ity taona 2016 ity ka natokana ho fanadiovana ny fankalazana ny andro faharoa. Manoloana izany indrindra, samy nifidy sekoly tsirairay avy isaky ny talen’ny departemanta tao amin’ny ministeran’ny Fanambeazam-pirenena (Men) ka isan’ny voafidin’izy ireo ny Epp Antanimbarinandriana. Nidina teny an-toerana noho izany ny fianakaviam-ben’ny Men nanadio ny tao anatiny sy ny faritry ny sekoly, omaly maraina, izay notarihin’ny tale jeneraly ny fanabeazana fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, Andriamampandry Todisoa.

Tamin’ity taona ity ihany koa nanamarika ny fankalazana ny fanentanana momba ny fambolen-kazo any amin’ny Cisco miisa 114. Teo ihany koa ny fanamarihana ny faha-150 taona ny gazety malagasy, taorian’ny fivoahan’ny gazety « Ny Teny Soa », tamin’ny 1866. Toy ny mahazatra dia nisy ny hetsika ara-kolontsaina, anisan’izany ny fifaninanana hira sy mozika teny amin’ny sekoly tsirairay, ny hetsika ara-panatanjahantena, toy ny « basket-ball », « volley-ball », ary « hand-ball ». Kilalao fanitaran-tsaina kosa ho an’ireo kilonga.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre