Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Ambohimangakely – Garazy nipoaka, fiara maromaro hotohoton’ny afo

Nitrangana haintrano mahatsiravina teny Ambohimangakely, tao amin’ny fokontany Ambodivoara, omaly maraina. Nijoalajoala ny lafo, tokony tamin’ny 6ora sy sasany tany ho any ka nisahotaka ny iray tanàna. Fifampikasohan’ny herinaratra avy tao amin’ny masinin-kazo iray teo akaikin’ ilay garazy no niatombohan’ny loza, araka ny loharanom-baovao. Nitselatselatra ny pitik’afo ary efa nivoaka setroka tao amin’ilay masinin-kazo  saingy tsy mbola taitra ireo mpiasa tao. « Mbola setroka fotsiny aloha no nisy ka mbola tsy taitra ireo tao an-toerana. Tsy  nisy 5 minitra anefa dia nidonan-tsetroka ihany koa ny labasy nandrakotra ny kamiao iray tao amin’ilay garazy izay tsy lavitra azy ary vetivety foana  niparitaka ny afo », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nikoropaka noho izany ireo rehetra tao amin’ilay garazy nanao izay namoahana haingana ireo fiara rehetra nijanona tao, raha toa ka niezaka namono ny afo ny sasany mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina.

Na izany aza mbola nisy ireo tsy tafavoaka tao anaty io garazy io izay kamiao miisa 2 ka ny iray eo an-dalam-panamboarana ary fiara kely vitsivitsy voalaza fa may tanteraka. Betsaka ihany koa ireo fiara vaky fitaratra nipoahan’ny afo nandritra ny famoahana azy ireo. Ankoatra izay, trano biriky iray sy trano hazo vitsivitsy ihany koa no kila forehitra lasa lavenona nandritra ny fahamaizana. Tsy mbola fantatra kosa ny teti-bidin’ny zavatra may. Naharitra ora maromaro vao voafehy tanteraka ny afo, izay niteraka fahasorenana teo amin’ireo mpampiasa iny lalana eny Ambohimangakely iny satria tapaka tanteraka. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre