Vonoina ny malagasy !
Mampihorin-kiditra ary tsy maha-te hivoaka ny trano ny mandre faty olona etsy sy eroa ary saika avy amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Vao mainka loza ny zava-misy satria na ny mijanona ao an-trano aza misy mamono ihany. Fa loza inona ity mitranga eto amintsika ity e ? Ny vady ihany no mamono an-dramatoa dia avy eo mitetika ilay razana amin’ny fomba feno habibiana. Io ilay tranga tany Toamasina. Ny mpiasa ao an-trano natao hanampy sy hiaro ihany koa no namono nahafaty ilay karana vavy mpampiasa. Teto Antananarivo indray io. Fa inona marina no zava-misy e ? Misy devoly ve ny firenena sa ny olona no efa lasa adala ka tsy mahafehy intsony ny tendrom-po tsy mba namana.Toa ireo natao hifampiaro indray no lasa mifamono sy mifampitahotra. Saika isan’andro no ahenoana mpihavana, mpinamana, mpiara-miasa sy mpiray tanàna mifamono mahafaty.
Ny tsy azo lavina aloa, matoa maro ireo sahy manala ain’olona amin’ny tsy antony dia tsy atahoran’izy ireo intsony ny sazy aroson’ny fitsarana. Migadra an-tranomaizana fotsiny, avy eo afaka mivoaka ihany rehefa mahay mano kolikoly any ambadika any. Ny mpitandro filaminana rahateo dia manao vy very ny ainy hatrany hiaro ireo olon-dratsy rehefa tena mitroatra ny fokonolona. Io fahamaivanan’ny sazy natokana ho an’ireo tsy mataho-tody manao heloka bevava io ihany anefa no mahatonga ny fiaraha-monina hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka. Hatreto aloha, na tsy ara-dalàna aza ity resaka fitsaram-bahoaka ity ary tena heloka bevava ihany koa dia io ihany no fitsarana tena atahoran’ny olon-dratsy. Namono olona na manao habibiana dia vonoin’ny fiaraha-monina amin’ny fomba feno habibiana ihany koa. Lasa “nify solon’ny nify sy ny maso solon’ny maso” sisa izany ny fomba ametrahana fandriampahalemana eto amintsika. Ny resaka dina be any amin’ny tany lavitra andriana no tena maneho io fahombiazan’ny fitsaram-bahoaka io. Tsy mijery izay lalàna voafaritry ny sazy, voafaritry ny lalàna sy ny fitsarana ny vahoaka fa manana ny azy manokana entiny hanafaizana izay mpanao ratsy. Mihena be ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana rehefa tena mandeha tsara io dina ifotony io satria matahotra ny fitsaram-bahoaka ara-bakiteny ireo izay mikasa hanao ratsy.
Ankoatra ny tsy fahatahoran’ny olona ny fitsarana dia mety mitombina ihany ny hoe efa maro no lasa mivadika atidoha noho ny vesatry ny fahantrana. Mitarika adalana mandalo ny tebiteby sy ahiahy isan-karazany ka lasa mora kizitina sy entim-po amin’ny tsy antony ary tsy mahafehy tena intsony rehefa tsy mahafehy ny hatezerana ny ankamaroan’ny olona. Maneho izany ohatra ny eny anivon’ireny tambazotran-tserasera facebook ireny. Misy karazan’olona izay mitady vaovao handrangitana fotsiny dia misy ireo mpanisy sira sy mpisintona lakolosy ka samy mandefa hafatra maneho ny hatezerany sy ny fihantsina, ary fanaratsiana eo avokoa ny rehetra. Tsy hitondra soa velively ny toy ireny ary tsy hitondra filaminana eto amin’ny firenena satria fitonian-tsaina no ilain’ny vahoaka raha tiana mandry fahalemana ny tany. Sarotra anefa ny fametrahana io fitonian-tsaina io satria toa ny mpitondra indray no mampiseho ohatra ratsy ho hitan’ny vahoaka. Iaraha-mahita fa tena mangina ary tsy misehoseho ireo tena antoko matanjaka manohitra ity fitondram-panjakana ity. Manoloana izany anefa dia tsy miafina fa mampiseho amin’ny vahoaka ireo samy mpitondra fa tsy mifanara-tsaina izy samy izy. Tsy mahagaga raha misy ny eny anivon’ny fiaraha-monina satria tsy fantatra intsony izay zava-hitranga eto amin’ny firenena. Na ny filohan’ny Repoblika aza dia efa ela no tsy nanafina intsony ny tsy fitovian-kevitra eo anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy hisy mihitsy ny fitoniana ara-politika raha mbola toy izany hatrany no fomba hitantanana ity firenena ity. Famonoana ny vahoaka malagasy anefa ny toy izany.
Ravalo tsy Manana