Ny toe-tsaina mahantra
Ny fahantrana
Misy tokoa ny fahantrana izay mihatra eo amin’ny tena amin’ny maha nofo aman-drà dia ny tsy fisiana, na ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ka tsy ahazahoana miaina araka ny tokony izy : amin’ny sakafo, ny fitafiana, ny fahasalamana , ny fianarana… izay rehetra filàna hampilamina ny maha olona.
Misy ihany koa ny fahantran’ny fanahy izay hita amin’ny olona tsy manana faniriana hiankina sy hatahotra an’Andriamanitra fa mihevitra ho mahavita tena ary manara-po mitondra ny fiainany araka ny mahafinaritra azy fotsiny ihany ; dia ireo izay tsy mihevitra ny fiainana any an-koatra ka tsy manana finoana ny famonjen’i Jesosy Kristy Tompo. Tsy manam-piadanana ny fony.
Ny fahantran’ny saina kosa dia ireo fomba fisainana isan-karazany miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny fiainan’ny olona sy ny fifandraisan’ny samy izy. Atao hoe fisainana ambany sy tsy mendrika izy ireny. Fomba fisainana avy amin’ny fijerin’ izao tontolo izao, ivelan’ny fisainan’Andriamanitra.
Ny tany mahantra
Amin’ny ankapobeny raha miresaka fahantrana isika dia ny vola no an-tsaina, ny toe-karena no tarafina. Ny atao hoe manana dia ny manam-bola sy manana harena. Dia miezaka hanao izay ananam-bola sy hampitombo ny harena ny olona mba tsy hahantra.
Madagasikara dia voakilasy anatin’ireo tany mahantra satria tsy manana vola betsaka hokirakiraina ary tsy mandroso firy ny ara-toe-karena. Dia hita eto amintsika tokoa ny endrik’izany fahantrana izany :
Lalana ratsy, olona noana, risoriso, fako etsy sy eroa mamofona sy mandoto, tsy fanajana lalàna, halatra sy herisetra, feno mpivarotra ny toerana rehetra, mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana, sarotra ny jiro sy rano, be ny trano tsy zarizary, ambany ny fahefa-mividy, fiaraha-monina mikorontana. Araka ny voalaza tetsy ambony dia mihatra amin’ny fiainana andavan’andro tokoa ny tsy fahampiam-bola. Tena marina izany, miteraka fahasahiranana, sy korontana izay manaketraka ny tsirairay.
Ny toe-tsaina mahantra
Raha toy izany ny olana misy mikasika ity fahantrana ity, tsy mahagaga raha haingana tokoa ny hitady vahaolana hitantanana azy. Ny olona amin’ny tany mahantra dia baikon’ny fahantrana hanana toe-tsaina mahantra. Ireto avy no anisan’ny manamarika izany:
Mitrosa lava: tsy mety afaka amin’ny fitrosana satria ny fisainana mihitsy no te hitrosa foana. Tia mangataka: tsy mahalala menatra, ary tsy manana hambom-po hanana ny maha izy azy, na hanana fahononana.
Miankin-doha foana: malaina miasa,manararaotra ny fanampian’ny hafa, tsy te handray andraikitra ny amin’ny tenany.
Tia kely: fetsifetsy ary tsy te handeha amin’ny fahamarinana, tsy mahatoky amin’ny fitantanana apetraka aminy, manambaka olona sady mangalatra.
Te hahazo vola haingana: mavesatra ao anatiny ny herin’ny vola dia tsy te hiasa mafy sy ela fa izay fomba mety ahazoana vola rehetra dia atao avokoa
Tsy manao zavatra tsara: tsy manana faharetana, zara fa vita avokoa ny ataony, maika lava. Tsara ny vita Malagasy fa ratsy ny vita gasy, fomba fiteny matetika ireo.
Tia ady: toe-tsaina mahantra ihany koa ny tia ady, tsy afaka mandefitra fa te hizahozaho foana, tsy manaiky resy ihany koa, mahatsiaro ho ambany mandrakariva, tia mitabataba sy avo vava.
Manao kolikoly: misandoka, mangalatra, manararaotra olona, tsy marina…
Miaina fahantrana ny olona nohon’ ny toe-tsainy mahantra amin’ny ankapobeny.
Ny fitiavam-bola
Iray amin’ireo toe-tsaina mahantra ny fitiavam-bola.
Fototry ny ratsy rehetra io, hoy ny voalazan’ny Baiboly. Na iza na iza manao ny vola ho maha izy azy ary manompo azy fatratra dia tsy ho afa-po ary hitady azy mafimafy hatrany. Ny olona manam-bola ka manana io olana io dia manana toe-tsaina mahantra ihany koa :
Tia kely: efa misy vola betsaka ao aminy kanefa tsy manana fahononana izy fa manao fetsifetsy ihany.
Mahihitra: manana ny ampy nefa tsy manana fifaliana hampiasa ny fananany hahasoa ny fiainany na hahasoa ny hafa.
Manambaka, fetsy, manao kolikoly, manao herisetra…Te haka ny an’ny hafa foana noho ny fieremana sy tsy fahononana ary ny fitiavan-tena, dia mahavita mampiasa hery sy fampihorohoana ny hafa…
Mifampiankina avokoa hanosika izany fitiavam-bola izany ireo toetra ratsy voalaza rehetra ireo. Mamotika ny fomba ratsy na ho ela na ho haingana.
Manimba ny fiaraha-monina, mampisaraka ny mpivady, mampahory ny ankohonana ny fitiavam-bola. Misy fetrany ny zavatra azon’ny vola atao. Noho izany tokony apetraka hanompo izy fa tsy natao hotompoina.
Ny manam-bola sy ny tsy manam-bola rehefa tratry ny fitiavam-bola dia manana toe-tsaina mahantra daholo. Izay rehetra tia vola dia tsy mety ho voky vola, ary hopotehan’ny volany !
Ny toetra tsara
Ny toetra tsara no mifanohitra amin’ny toe-tsaina mahantra. Ny toetra tsara dia harena. Tsy ny fananam-bola ihany no ahombiazana amin’ny fiainana, na dia maro aza ireo mirehareha fatratra ny amin’izany. Tsy ny vola ihany koa no tokony hamaritra ny maha izy ny olona Ny toetra tsara dia mampilamina sy mahakinga kanefa tsy mety lany. Ny fananana toetra tsara no ahafahana mifehy ny vola sy mitantana azy mba hahasoa ny olona.
Anisan’ny toetra tsara ny fahendrena izay sarobidy tokoa ambaran’ny Baiboly. Ny fahatahorana an’Andriamanitra no fiandohan’izany. Na iza na iza votsa sy mahatsiaro tsy manana azy dia afaka mangataka malalaka tsara amin’Ilay Andriamanitra Ray, tokana sady hendry. Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia manondrotra ny olona ary manafaka amin’ny fahantrana. Ny fahadalana avy amin’ny faniratsirana Azy kosa dia manetry sy manaisotra ny fiadanana.
Ny talenta ananana
Ny talenta ananana dia harena ho an’izay manana azy. Izay manaja izany sy mampiasa azy amin’ny fitiavana sy ny fahamarinana dia mahazo tombony ary mandray fitahiana.
Tsy manam-bola fa manana fotoana ohatra dia afaka mampiasa ny fotoana hanaovana asa tsara mampandroso. Miteraka fahombiazana izany.
Ny hery ananana, ny feo, ny fahaiza-manao isan-karazany dia azo ampiasaina hitondra soa ho an’ny mpiara-belona, harena izany, mitondra fitahiana.
Ny olona manodidina sy ny fahaiza-manaony na ny talenta ananany dia harena ho antsika ihany koa ka tokony hajaina sy ho tiavina ary avela hisongadina.
Afaka mifaly sy mirehareha isika manana izany rehetra izany. Dia hohitanao tokoa fa tsy olona mahantra hianao fa manana zavatra ary tsy hijanona ho mpangataka sy mpiankina fotsiny fa tena manana zavatra azo atolotra sy ampiasaina amin’izay maha hianao anao, eny fa na dia toa kely aza. Misy ilàn’ny hafa izany.
Noho izany, fantaro izay anananao, dia aza manao hoe mahantra aho ka ratsy, tsy manana aho ka hangataka lava, tsy manam-bola aho ka hindrana foana. Meteza ho fitahiana ho an’ny hafa, manana hambom-po hanolotra mandrakariva izay kely anananao. Kanefa mahonona, miasa tsara, manana faharetana, izay ataonao rehetra dia ataovy amin’ny fitiavana, tiava ny marina dia ho sambatra hianao. Ho lavitra ny toe-tsaina mahantra, ary hampanana ny maro.