Midongy toerana fotsiny
Senatera miisa roa no tsy tonga mihitsy sady tsy nandefa fampandrenesana amin’ny antony tsy nahatongavany na fandefasana fialan-tsiny, nandritra ny fotoam-pivoriana nihaonan’ireo loholona voalohany taorian’ny naha voafidy sy naha voatendry azy ireo. Nanaitra ny maro ity tranga ity satria maro ireo nisisika ny ho loholona ary nanao ny fomba rehetra hahazoana izany andraikitra izany nefa sady tsy voafidy no voatendry. Ireo nomena ny laharam-pahamehana sy ny voninahitra ary notsongaina tao anatin’ny maro indray no toa tsy mivaky loha sy manao an-kinanga ny andraikitra nankinina taminy. Mazava ny tenin’i Honoré Rakotomanana, filohan’ny Antenimieran-doholona fa tokony ho maodely amin’ny lafiny rehetra ny senatera fa raha tsy izay dia afa-baraka ity andrim-panjakana heverina fa tokony ho lolohavina an-tampon’ny loha ity. Raha ny nataon’ireo loholona miisa roa izay tsy te hahalala ny fotoam-pivoriana anefa no jerena dia hita fa tsy maodely ary tena fakan-tahaka ratsy ho an’ny vahoaka, indrindra ny ankizy mpianatra. Fanaovana tsinontsinona ny raharaham-pirenena mihitsy ny tsy fahatongavana mivory eny anivon’ny parlemanta sady tsy nandefa fampilazana sy fialan-tsiny toy izao. Matoa mantsy natsangana ity andrim-panjakana ity dia misy antony heverin’ny mpitondra fanjakana fa ilana azy.
Voafaritry ny Lalàmpanorenana rahateo ny fananganana azy ary vola be tsy toko tsy forohana no lany tamin’izany. Ny sasany anefa vao manomboka ny fandaminana anatiny ny Antenimieran-doholona dia efa manepoka sahady. Toa lasa miady sy mibodo toerana fotsiny anefa reha izany. Tsy hifanerena anie ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena no sady tsy hifanambatambazana ihany koa. Raha misy olona tsy manam-potoana atokana ho an’ny firenena dia tsy tokony ho nisisika ny ho tendrena Loholona izy ireo fa nijanona tany amin’ny sehatra manahirana azy any ambadika any. Zony izany ary tsy misy hadisoany na kely aza. Ny hadisoana dia ny midongy seza nefa tsy afaka ny hanao akory avy eo.
Io fomba fanao io no tsy mety mampandroso an’ity Madagasikara ity satria saika ny andrim-panjakana sy ny sehatry ny fitantanan-draharaham-panjakana rehetra dia efa misy antokon’olona mibodo ary tsy manaiky fa manana anjara seza sy toerana hatrany na dia hita izao aza fa tsy vonona ny hanolotra ny tenany ho an’ny fampandrosoana ny firenena no sady tsy manana ny fahaizana sy ny fotoana hanatanterahana izany rahateo. Anisan’ny tena nampisongadina ity fitondrana mijoro ankehitriny ity io fanaovana kitranoantrano amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana io.
Hatrany amboalohany dia olon’ny antoko Hvm sy ireo mpiara-dia aminy, miampy ny Rotary club, ny Ceds, ny YLTP ary ny mpianatra nivoaka tao amin’ny Inscae avokoa no tena nomena toerana sy andraikitra ambony eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana maro. Ankoatra ireo dia ny havana aman-tsakaiza, ary ny mpiara-mianatra fahiny tamin’ireo minisitra no mitana ny anjara toerana hafa. Toerana politika no fiantso mahazatra ireny toerana ireny nefa raha ny marimarina kokoa dia toerana azo avy amin’ny kolikoly satria ny fahafantarana olona na ny maha-mpikambana amin’ny sehatra na vondrona na antoko iray akaiky ny fitondrana dia tombony iray lehibe hahazoana toerana ambony eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ny firenena satria tsy ny tena fahaizana sy ny traikefa no anomezana asa ny tompon’andraikitra ambony sy ny mpiasam-panjakana fa ny fahafantarana olona sy ny kitranoantrano. Lasa fitadiavam-bola sy fanangonan-karena amin’ny alalan’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sisa ny fiheveran’ny sasany ny antsoina hoe “fitantanan-draharaham-panjakana” fa tsy fanoloran-tena ho fanavotana ny firenena.
Ravalo tsy Manana