Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Vondrom-panabeazana Aceem – Telopolo taona nanabeazana ny tanora

Feno telopolo taona ny vondrom-panabeazana Aceem teo  amin’ny  sehatra fanabeazana ny tanora. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Ekar Faravohitra ny fankalazana izany fotoan-dehibe izany, izay niarahana tamin’ny filoha Ratrema William, ireo mpanabe ary indrindra ireo mpianatra. Raha fanampim-pampianarana no niaingan’ny Aceem dia efa nanangana sekoly maro izy amin’izao fotoana izao.

Ary ny hanatsara hatrany ny asa iandraketany no tanjon’ity vondrom-panabeazana ity ka ny  zavatra voizina amin’izany dia fanabeazana ara-tsaina mba ho olom-banona ireo mpianatra mivoaka ao aminy. « Hanao ezaka amin’ny lafiny fampianarana ny vondrom-panabeazana Aceem mba ho tsara sy hanara-penitra hatrany. Mba ho andry iankinana hampandroso ny firenena ireo mpianatra mivoaka ato amin’ny Aceem fa tsy hanodina ny harem-pirenena », hoy ny filoha Ratrema William.

Mba hanatsarana hatrany ny lafiny fampianarana dia mila misokatra amin’ny teny malagasy fototra ny fampianarana fa tsy aorina amin’ny tenin’ny hafa, hoy hatrany ity filohan’ny Aceem ity. « Tokony tenin-drazana no ampiasaina raha te-hahomby amin’ny fampianarana satria misy fiantraikany amin’ny ho avy ny ankizy malagasy raha tsy mahafehy akory ny teny malagasy izy ireo. Ary tokony hirehareha amin’ny teniny ny mpianatra malagasy. »

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre