Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Antaninandro – Telolahy tsy ampy taona nangalatra finday

Tovolahy tsy ampy taona miisa 3 no tratran’ny polisy teny Antaninandro, teo am-panglarana finday. Ny alarobia teo, tokony tamin’ny 6ora sy sasany hariva, no nitrangan’izany, teny Ankadivato. Nikiakiaka niantso vonjy sady nanenjika azy telolahy ny olona iray norobain’izy ireo ilay finday. Tsy nampoizin’ireto tovolahy anefa fa nisy mpitandro filaminana tsy lavitra teo ka noraisim-potsiny izy ireo. Nentina haingana teny amin’ny biraon’ny polisy eny amin’ny boriborintany faha-3 izy ireo natao famotorana. Nandritra ny fakana am-bavany azy ireo no nilazany fa tsy nanam-bola atao fidirana ao amin’ny « Bal des jeunes » iray eny an-toerana no nahatonga azy ireo hangalatra io finday an’olona io. Marihina fa mbola 16 taona avy izy telolahy ireo. Efa tafaverina any amin’ny tompony kosa ilay finday. Izy ireo kosa natolotra ny fampanoavana omaly.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre