Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

“Institue” Ismatec – Namoaka ny andiany faha 7 ny mpitsabo mpanampy

Mpianatra miisa 135 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 25 febroary lasa teo. Tonga nanatrika izany ny solontena’ny hopitalim-panjakana maromaro sy ireo izay any amin’ny hopitaly tsy miankina.  Nampitondraina ny anarana hoe “mahefa” ity andiany faha fito ity noho ny nahatontosan’izy ireo hatramin’ny farany ny fianarana na dia teo aza ny olana sy ny fahasarotan’ny fianarana nandritra ny 3 taona sy ny fanomanana ny asa famaranana ny fianarana( Tfe). Araka ny nambaran’ny talen’ny “Institue”, Rafanomanantsoa Sibel dia “misy amin’ireo mpianatra no efa voaray miasa na izany aza nefa dia namporisihana ihany koa izy ireo mba hiroana amin’ny famoronan’asa ialana amin’ny tsy fananan’asa. Misy ihany koa ireo izay vonona hiasa any amin’ny tontolo ambanivohitra izay manana olana amin’ny tsy fahampian’ny mpitsabo ka hanala olana ireo toeram-pitsaboam-panjakana arak’ izany ny namoahana ireto mpitsabo mpanampy ireto”. Vinavinain’ny sekoly ny fanitarana ny fiofanana katramin’ny bac + 4, +5, hatramin’ny “doctorat” izay ho tanterahina tsy ho ela.

St Jacques Marino

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre