Betsiaka – Mpitrandraka volamena telo maty nihotsahan’ny tany
Mpitrandraka volamena miisa 3 indray no maty nihotsahan’ny tany tao amin’ilay fatana iray, any Ambohimimpinda, kaominina Betsiaka, distrikan’Ambilobe, omaly maraina tokony tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any. Efa andro vitsivitsy izy ireo no nandeha nangady volamena tao anaty tany tao dia izao nihotsaka tampoka izao. Nisahotaka ny iray kariera tao Ambohimimpinda vao nahita ny loza ka raikitra ny fitadiavana azy telo lahy. Ora roa taty aoriana, izany hoe tokony tamin’ny 11ora sy sasany tany ho any no hita ny vatana mangatsiaka ny iray tamin’ireo mpitrandraka ary nampiakarana an-tanety avy hatrany. Hatramin’ny omaly tolakandro dia mbola karohina ny mpitrandraka roa hafa. Araka ny vaovao voaangona dia efa noraran’ny mpitandro filaminana ny fidirana tamin’ity fatana ity saingy mbola nisisika ihany ireo mpitrandraka. Efa nisy mpangady volamena telo hafa mantsy no voalaza fa maty tao amin’izany fatana izany ny 12 febroary lasa teo, ka nahatonga izay fandrarana tsy hiditra tao izay nefa mbola nidiran-dry zalalahy ihany ka niteraka izao famoizana ain’olona izao indray. Olona miisa 6 izany hatreto no maty tao amin’io fatana io tao anatin’ny herinandro monja.
Laurena Nany