Miakatra ny vidim-piainana !
Taom-piotazana ity 2016 hoy ny filoham-pirenena tany amin’ny fiandohan’ny volana janoary. Izany hoe fiotazana ny vokatry ny asa rehetra natao hatramin’ny fiandohan’ny taona 2014 niantombohan’izao Repoblika faha-efatra izao. Raha ny zava-misy anefa hatreto, efa hanitsaka ny volana martsa isika, izany hoe handingana ny telovolana voalohany dia tsy hita mazava izay vokatra tsara tena hotazana ka hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Mandainga raha milaza fa tsy nisy mihitsy ny vita satria mba nisyi hany saingy tsy ampy sy tsy mifanitsy amin’ny filan’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Nitokana foto-drafitr’asam-panabeanzana sy fahasalamana tokoa ny fitondram-panjakana, ary nampiditra mpampianatra ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nefa tsy mbola izany akory no ahafahana milaza fa mahavokatra tsara ity fitondrana ity. Atao inona moa hopitaly sy toeram-pitsaboana raha tsy manana vola hividianana fanafody akory ny marary ? Ankoatra ny fanaovam-baksiny faobe dia tsy mbola hita soritra mazava ny fitsaboana maimaim-poana eto Madagasikara. Izany anefa no tena ilain’ny vahoaka izay mandoa hetra isan-karazany ary tsy mba mandà izany mihitsy. Ity resaka fampidiran-ketra ity foana no lazaina fa tsy mampanam-bola ny Fanjakana nefa rehefa tena zohina dia ny kolikoly sy fitavozavozana eo amin’ireo tompon’andraikitra no tena mahatonga izany. Ireo orinasa lehibe sy ireo mpanankarena no tsy mandoa amin’ny tokony ho izy ny hetra tandrify azy ireo fa tsy ny vahoaka madinika nefa dia ireto farany hatrany no tena lasibatra.
Mbola hita fa tena mampijaly ny vahoaka ihany koa ny fahalafosan’ny vidim-piainana. Nisondrotra be avokoa ny vidin’ny sakafo fihinana andavanandro hatramin’ny fiandohan’ity taona ity. Manomboka any amin’ny vary sy ny siramamy izany ary miitatra any amin’ny anana sy ny hena ary ny voankazo isan-karazany. Diso daholo ary tsy maintsy ovaina ny kajikajy mikasika ny tetibola fampiasan’ny isan-tokantrano satria lasa tsy ampy araka ny no eritreretina. Variana amin’ny tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny nosy ny fitondram-panjakana fa tsy hitan’izy ireo ny faritra hafa hatreto an-drenivohitra izay tena zara raha mihinana ny ankamaroan’ny vahoaka. Saika isan-kerinandro no misy olona hita matin’ny hanohanana eny an-dalana. Na sokajiana ho mpatory an-tsena aza ny ankamaroan’izy ireny dia malagasy mitovy amintsika rehetra ary olombelona manan-jo hisakafo sy arovana amin’ny aretina sy ny hanohanana.
Mampiseho izany rehetra izany fa tsy mbola mioty ny vokatra araka ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny malagasy. Averina indray fa hiditra amin’ny volana fahatelo amin’ity taona ity isika nefa tsy hita taratra mihitsy izany taom-piotazana izany hatreto. Ny atao hoe mioty mantsy dia misy vokatra maro be tsy lany laniana satria mihoatra avo folo zato heny amin’ny nambolena sy niompiana ka lasa ambim-bava amidy sy hamatsiana ny hafa ary atao tahiry mandavan-taona mandra-piakatry ny vokatra manaraka. Toa mbola nofinofy ho an’ny malagasy ary tsy ho amin’ity taona ity, na tsy amin’izao fitondrana mijoro izao no hanantenana ny hiotazana vokatry ny asa fampandrosoana hisy fiantraikany eny amin’ny isan-tokantrano. Ary sao dia mba diso laharam-pahamehana kosa ary ity fitondram-panjakana ity satria variana mihazakazaka any amin’ny fanatsarana ny diplaomasia sy ny fifandraisana amin’ny mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena izay tsy mety mamokatra ? Raha te hioty vokatra mantsy dia mila manao asa famokarana. Amin’ny firenena be olona tsy an’asa toa an’i Madagasikara dia ny famoronana asa ihany no vahaolana tsotra sy mora tanterahina indrindra satria sady manome asa ny tanora no ihany koa mamokatra zavatra afaka amidy sy aondrana. Ny sehatry ny indostria sy ny fambolena ary fiompiana izany izao no tena maika ny fampiroboroboana azy satria ireo no manome asa ny an-drenivohitra sy ny eny ambanivohitra. Hihena ireo tsy an’asa izay vesatra ho an’ny fiaraha-monina ary tsy hisy intsony ihany koa ny tsy fahampiana ara-tsakafo ka handroso avy hatrany ny firenena.
Ravalo tsy Manana