Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fanampiana ireo olona kere – « Fampandrosoana ny Faritra no ilaina »

Manoloana ny kere mahazo ireo mponina any Atsimon’ny Nosy dia nandray andraikitra eo anatrehan’ireo olona sahirana ny zanak’Androy mpila ravinahitra eto an-drenivohitra. Nandritra ny fiarahabana tratry ny taona izay notanterahan’izy ireo, ny sabotsy lasa teo, dia nisy ihany koa hetsika tolo-tanana ho an’ireo tratry ny hanohanana satria izay heverina ho vonjy rano vaky. Tsy mijanona hatreo anefa ny asa fa mbola miandry ny tolo-tanana avy amin’ny fiaraha-monim-pirenena sy ny hery velona manana traikefa entina manampy ireo zavatra efa tapaka mba hanamafy orina izany amin’ny alalan’ny mpikambana avy amin’ny foko maro mila ravinahitra ireo. Hevitra hanampy ireo ezaka nataon’ny fitondram-panjakana satria ny irin’ny zanak’Androy dia ny mba ahafahana manatanteraka izany.

« Hita ireo andraikitra miisa 21 noraisin’ny fanjakana fa ny tena mba irinay ny ahafahana manantanteraka izany. Vonona ny hanome tolo-tanana sy anjara birikinay na amin’ny alalan’ny olona na amin’ny alalan’ny hevitra satria efa betsaka ny hevitra miseho tamin’ny olan’io kere io. Be dia be ihany koa ny manana tetik’asa fa ny ahafahafan’ny zanak’Androy mamboly no tena irinay fa tsy rano fisotro fotsiny ihany. Fitarihan-drano no ilain’ny mponina any Androy ary azo atao tsara izany raha misy ny fahavonana pôlitika. Tsy tokony lany fotoana amin’ny resaka kere na tsia intsony ny fanjakana fa ny fampandrosoana ilay Faritra no ilaina », hoy i Retovo Latimer, talen’ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny ministeran’ny Asam-panjakana sady zanak’Androy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre