Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Toeram-pialam-boly Maitso ririnina – Hanazarana ireo ankizy hiala amin’ny kolikoly

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 27 febroary lasa teo, ny toeram-pialam-boly Maitsoririnina, eny Ankaditapaka avaratra. Toerana izay natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora ary olon-dehibe mba ahafahana miala voly, izay mikendry ny hanolotra ireo mponina sy ireo mpitsidika tontolo iainana tsara kokoa, famoronana fitaovana sosialy iombonana ao amin’ny tanànan’Ankaditapaka. Hitao ao avokoa ny toerana fanaovana « Skatepark » sy trano fisakafoanana, fanaovana fanazaran-tena, toy ny « judo sy karaté ». Entina nanamarihana ny fanokafana ny toeram-pialam-boly dia nisy ny fampisehoana nataon’ireo tanora maro ka anisan’izany ny filalaovana ny « Skatepark », ny « cheerleading »  sy ny maro hafa.

Ny toeram-pialam-boly Maitso ririnina dia natao hanazarana ireo ankizy sy tanora mifaninana mba ialana amin’ny resaka kolikoly satria rehefa zatra mifaninana izy ireo, lasa manana famoronana ka miala ho azy ny kolikoly, hoy i Gabriel Harison, filoha lefitry ny ben’ny tanàna an’Antananarivo. Marihina fa misy fandraisana anjara ny fialamboly sasany ao amin’ny Maitsoririnina ary afaka manao famandrihana isam-bolana ihany koa ireo mpanjifa ka 7 tapitrisa isan-taona no vola ezahina ho voaangona izay miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina. Mahatratra any amin’ny 3,5 miliara Fmg no nanaovana ireo foto-drafitr’asa ireo ary tsy hijanona eo fa ezahina aparitaka eto an-drenivohitra ka eny Antanimbarinandriana, eny Anosy, no eritreretina ny asa manaraka.Marihana fa ny toeram-pialam-boly Maitso ririnina dia niarahan’ny kaominina Antananarivo sy ny « île de France » namolavola, tamin’ny alalan’ny IMV.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre