Antsirabe – Rangahy 56 taona maty tsy tra-drano nofaohan’ny taksiborosy
Nahery vaika ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’iny lalam-pirenena Rn7 iny. Lehilahy iray 56 taona no maty tsy nialana nenina, ny alin’ny sabotsy lasa teo, rehefa nofaohan’ny taksiborosy. Tany Antanamanjaka, distrikan’Antsirabe II no nitrangan’izany. Vokatry ny dona mafy be nahazo azy mantsy dia namoy ny ainy teny amin’ny lalana hihazo ny toeram-pitsaboana izy. Araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana dia mamo io namoy ny ainy io. Nahenoana fofona alikaola mantsy ity rangahy ity nandritra ny fizahana natao. Ilay mpamily kosa notanana ao amin’ny borigady ny zandary nasionaly ny faritra any an-toerana atao famotorana.
Mbola vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany dia lehilahy iray hafa no naratra mafy, teny amin’ny By-pass, rehefa nodomin’ireny fiara mpitondra vola ireny. Ny sabotsy lasa teo no nisehoan’izany, teny amin’ny lalana mampitohy an’Iavoloha sy Andoharanofotsy iny. Nanapaka tampoka ny arabe ilay mpandeha an-tongotra ka na dia niezaka niala azy aza ilay mpamily dia mbola voadona ihany ity olona ity noho ny hafainganam-pandehan’izany fiara izany, hoy ny tatitra avy amin’ny zandary.
Laurena Nany