Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fambara loza – Voay iray hita tao amin’ny farihy tany Nosy-Be

Voay be iray no hitan’ny fokonolona tao amin’ny rano mivondrona, tao Ambatoloaka, Nosy Be Hell-Ville, ny sabotsy lasa teo. Taitra ireo mponina vao nahita ity voay ity satria araka ny filazan’izy ireo dia tsy mivoaboaka fotsiny amin’izao ireny voay ireny.

Nofatorana noho izany ilay biby niandry ny fanapahan-kevitra ny tompon’andraikitra tao an-tanàna. « Fambara loza na misy fomba tokony alamina aty amin’ny tanànan’i Nosy Be Hell-Ville fa tsy misehoseho tsotra izao ireny voay ireny. Tanàna masina ny tanànan’i Nosy Be ary be fady mihitsy. Mety nisy olona nanota fady noho izany any ho any ka nahatonga ity voay ity niseho. Tokony mahatsapa-tena ireo olona nanao ny tsy mety ary manatona ny Ampanjaka atao fombafomba hanadiovana azy fa raha ts’izany dia hisy loza hiseho eto Nosy Be », hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Marihina fa tsy vao izao fa efa matetika misy tranga tahaka izao any an-toerana. Tsy novonoina noho izany ilay voay fa nandrasana ny ben’ny tanàna tany an-toerana ary naverina tany anaty rano avy eo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre