Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Apokay raha tena sahy !

Nivatravatra fiteny ary nieboebo ho tena sahy hiady amin’ny fanondranana ny andramena sy ny harem-pirenena ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Tontolo iainana, ny alatsinainy lasa teo raha nandray ireo sambo kely haingam-pandeha miisa efatra izay natao hiaro ny sisintanin’i Madagasikara. Maha-te hidera ny fahasahiana toy izany ary tena ankasitrahan’ny vahoaka malagasy tanteraka. Iza tokoa moa ny tsy ho faly raha mandre fa hiady ho an’ny fiarovana ny tombotsoam-pirenena ireo mpitondra. Andrasana kosa anefa hoe hatraiza izay fahasahiana izay ary rahoviana vao hisy vokatra. Nisy fotoana efa niteny ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tena azo atao ny manapoaka ireo sambo ampiasain’ireo mpanondrana an-tsokosoko. Tonga ity ny fotoana ka miandry ny vahoaka hoe hapoahy amin’izay ary ireo sambo mpangalatra rehetra fa izany no tena fahasahiana goavana andrasana avy amin’ny mpitondra Fanjakana. Tena azo atao tokoa ary tsy voararan’ny lalàna iraisam-pirenena velively ny fanapoahana ireny sambo mpijirika ireny. Porofo akaiky mampiseho izany dia vao roa herinandro lasa izay ny tafika indonezianina no nanapoaka sambo sinoa maherin’ny 30 isa, tratra nangalatra nanjono tany amin’ny fari-dranomasin’izy ireo. Nampiaka-peo ny sinoa saingy tsy norarahian’ny indonezianina izany satria tratyrany nangalatra sy niditra an-tsokosoko tany aminy. Fahasahiana goavana toy izany no andrasana eto Madagasikara satria an-jatonay maro ireo sambo miditra an-tsokosoko manjono ny harena an-dranomasina ary mitatitra ny harena an-kibon’ny tany sy ambon’ny tany eto amintsika. Maherin’ny 700 lavitrisa euros isan-taona ny fatiantoka azon’i Madagasikara noho ny fanjonoana antsokosoko ataon’ny sambo vahiny, araka ny tatitra nataon’ny fitondram-panjakana tany amin’ny taona 2007 tany ho any. Mbola gaboraraka rahateo ny fari-dranomasin’i Madagasikara hatramin’izao noho ny tsy fananan’ny tafika an-dranomasina sy ny zandarmaria sambo harifomba hanenjehana ireo vahiny mpangalatra. Eo ihany koa ny kolikoly avo lenta izay ataon’ireo sambo mpangalatra manojono ireo amin’ny tompon’andraikitra ambony ka tsy afa-mihetsika manao an-tsakany sy an-davany ny mpitandro filaminana.

Efa misy ireo ny fitaovana ankehitriny ka fotoanany izao hampisehoana fa tena sahy mairo ny fananam-pireneny ny fitondram-panjakana malagasy. Tsy hahavita hanenjika ny sambo piraty an-jatony mihaodihaody aty amin’ny ranomasin’i Madagasikara akory ny sambo kely hafainganam-pandeha miisa 4 saingy kosa afaka manao izay vitany ampisehoana fa tsy misomonga ny malagasy manoloana ireo vahiny mitady hanao barofo ny harem-pireneny. Raha misy sambo tsy ara-dalàna iray monja apoakan’ny mpiandry sisin-dranomasina aty amintsika dia inoana fa efa hampihorohoro ireo mpangalatra maro be izany. Sahy mitifitra mahafaty mpanendaka sy ny mpamaky trano, ary ny mpaka an-keriny sy ny dahalo izay malagasy iray rà aminy ny mpitandro filaminana ka inoana fa tsy hatahotra ny ampiasa hery amin’ireo vahiny mpanao barofo ny fananam-pirenena. Olon-dratsy rahateo ireny mampiasa sambo mpanao trafika sy mpanjono an-tsokosoko ireny koa inoana fa tsy hiteraka disadisa ara-diplaomatika amin’ny firenena nihaviany. Any amin’ny mpitondra izany izao ny fanapahan-kevitra koa miandry vokatra amin’izay ny vahoaka. Tsy mila miandry ela dia mahita sambo tsy ara-dalàna satria raha ny angom-baovao eny amorontsiraka rehetra ireny dia maro be ireo sambo mampiahiahy tazana mihaodihaody. Tena ho sahy tokoa ve ny mpitondra handray andraikitra sa dia lasa kabary toy ny mahazatra ny ady amin’ny ihany ireo fampanantenana tamin’ny alatsinainy lasa teo ireny ? Ny asa vita no ifampitsarana ary ny vokatra no aleo hamaly izany fanontaniana izany. Inoana fa tena hiakatra be ny fitiavan’ny vahoaka ny mpitondra ankehitriny raha tena sahy mandray andraikitra marina amin’ny fiarovana ny harem-pirenena zy ireo ary ho sahy hanenjika sy hanasazy ary hanapoaka ireo sambo mpangalatra aty amintsika.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre